Tetikasa roa lehibe no miroso amin’izao fotoana izao ao Mandroseza, tafiditra ao anatin’ny paikady hanatsarana ny famatsian-drano eto Antananarivo, araka ny seraseram-panjakana. Tetikasa voalohany ny fananganana tobim-pamokarana rano (Unité compacte de traitement), izay hahavita mamokatra hatramin’ny 22 000 m³ isan’andro. Amin’izao fotoana izao, 48% ny asa no efa vita, ary vinavinaina fa ho tanteraka sy hiasa alohan’ny jiona 2026, raha ny tatitra ara-teknika. Tetikasa faharoa ny fananganana toby fanosehan-drano vaovao, hahafahana manosika hatramin’ny 120 000 m³ isan’andro. Ity toby vaovao ity dia hanampy sy hanamafy ny toby efa tranainy ao Mandroseza, izay isan’ny antony mahatonga fahatapahan-drano amin’ny faritra maro eto an-drenivohitra. Amin’izao fotoana izao, 33% ny asa no efa vita, ary antenaina ho vita tanteraka alohan’ny farany volana jona 2026. Ireo fotodrafitrasa vaovao ireo dia tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny Ministeran’ny Rano, Fanadiovana ary Fidiovana, miaraka amin’ny fanohanana ara-bola avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny tetikasa PAAEP, izay mikendry ny hanatsara maharitra ny famatsian-drano eto Antananarivo. Nitsidika ny fizotry ny asa ny Minisitry ny rano sy ny fahadiovana ary ny fahadiovana Anjaratiana Elia Razafindrianianiana, ka nanamafy ny firosoan’ny tetikasa.
Toky R