airtel

Sosialy

27-févr-2023

Sosialy

Fambolena sy fiompiana Mila 3,114 miliara dolara i Madagasikara

Sample post image

Seha-pihariana miisa 6 no hatao laharam-pahamehana ao anatin’ilay Fanamby ho an’ny fahaleovantena ara-tsakafo sy fiarenana ho an’i Madagasikara.

27-févr-2023

Ho an’ny fambolena, dia ny fambolem-bary, katsaka, mangahazo, ary ireo voly fanodina hahazoana menaka no omena vahana. Ho an’ny fambolena kosa dia ny sehatry ny tontolon’ny omby sy ireo biby mandinika na “ruminant”. Famatsiam-bola hatrany amin’ny 3,114 miliara dolara no ilaina amin’izany, raha ny nambaran’ny Banky Afrikanina momba ny fampandrosoana na BAD, araka ny antontan-kevitra navoakany. Tanjona amin’io ny hanatraran’i Madagasikara ny fampitomboana ny famokarana, fanatsarana ny fitahirizana sy fampiroboroboana ny fanodinana vokatra mba hampitomboana ny tombony ambony apanga entin’ny fambolena sy ny fiompiana hatramin’ny taona 2028. Tafiditra ao anatin’ny fanamby sy fanekena nataon’ny mpitondra Afrikanina ho an’ny fanamby nasionaly momba ny sakafo sy ny fambolena nandritra ny fihaonana tany Dakar ny volana janoary teo moa ny fanatanterahana itony tetikasa itony, ka tanjona ny handresy ny fahantrana farantampony sy ny hanohanana hatramin’ny 2030. Raha ny antontan-kevitra navoakan’ny BAD hatrany, eo amin’ny 10 taona eo no hanatanterahana ny drafitra ho an’I Madagasikara, ka efa voarafitra ny fampiasam-bola ao anatin’ny 5 taona. Io 3,114 miliara dolara io no ilaina hoenti-manatanteraka izany, saingy, raha ny voalazan’I antontan-kevitra io hatrany, dia mbola tadiavina ny 2,125 miliara dolara amin’io. Ho an’ny fampiroboroboana ny fambolem-bary manokana, voafaritra fa mila hatrany amin’ny 2,608 miliara dolara, ka 520 tapitrisa dolara dia antenaina amin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola (PTF), 230 tapitrisa dolara avy amin’ny mpampiasa vola tsy miankina, 25,5 tapitrisa dolara avy amin’ny Fanjakana, ary 1,831 miliara dolara mbola tadiavina. Mila 60,6 tapitrisa dolara isika ho an’ny fampiroboroboana ireo voly fihinana, 21,15 tapitrisa dolara ho an’ny fampiroboroboana ny voly fanodina ka anisany ny soja sy ny voanjo. Ho an’ny sehatry ny omby hakana nofo hena kosa dia mila 32,44 tapitrisa dolara, ary 30 tapitrisa dolara ho an’ireo biby hafa, mila hatrany amin’ny 341,3 tapitrisa dolara ho an’ny fanodinana vokatra, raha toa kka 19,9 tapitrisa dolara ho an’ny fametrahana ozinina mpamokatra zezika. Raha ny voarakitry ny antontan-kevitry ny BAD hatrany, dia 10% raha kely amin’ny tetibolan’ny Fanjakana no ho an’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono ho an’ny 5 taona manaraka ao anatin’ity Fanamby nasionaly ity, ka manome 350 tapitrisa dolara eo izany. Na eo aza ny drafitra, mbola ezaka be ny resaka famatsiam-bola, rehefa zohiana ny zava-misy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap