teny amin’ny Boriborintany faha-3
Olona miisa 1 250 avy amin’ny fokontany Tsaramasay, Ankorondrano Andranomahery ary Ankorondrano Atsinanana no nandray anjara tamin’ny fanadiovana faobe nokarakarain’ny Fikambanana Fanjiry, tarihin-dRamatoa Elisa Randrianirina, ny 30 septambra 2026. Nifantoka tamin’ny fanadiovana ny tanàna sy ireo lakandrano ny hetsika, ho fiomanana amin’ny fotoam-pahavaratra sy hisorohana ny olana mety ateraky ny fiakaran’ny rano rehefa mirotsaka ny orana. Araka ny nambaran-dRamatoa Olga Ramiarinjanahary, mpandrindra nasiônalin’ny Fanjiry, dia natao hanampiana ny mponina sy hanentanana azy ireo hitandro hatrany ny fahadiovana ny hetsika. Nambarany fa ilaina ny fiaraha-mientan’ny rehetra amin’ny fikojakojana ny tontolo iainana sy ny toerana iainana. Ankoatra ny asa fanadiovana, nahazo fanampiana ireo mpandray anjara, ka nahitana fitaovana ara-pianarana ho an’ny mpianatra, vary 6,25 taonina nozaraina ho an’ireo fianakaviana, ary vola 20 000 ariary isan’olona. “Fanadiovana iray, fanampiana ho an'ny mponina, ary fiarovana ny tanàna mialoha ny orana”, io no lohahevitra entin’ny Fanjiry amin’ity hetsika ara-tsôsialy ity, izay manambatra ny fahadiovana, ny firaisankina ary ny fifanampiana eo anivon’ny fiarahamonina.
Toky R