Tsy miankina amin’ny BNGRC irery ! »
Namoaka tatitra ankampobeny momba ny vokatra nateraky ny rivodoza Gezani ny Biraom-pirenena misahana ny loza sy tandindon-doza (BNGRC) omaly 12 martsa 2026. Araka ny antontan’isa ofisialy, 62 no maty, 13 tsy hita popoka, 106 390 tokantrano traboina ahitana 431 967 olona, 425 tranom-panjakana lasibatra, 80 efitrano fianarana rava tanteraka, 1 055 sekoly very tafon-trano, 224 simba ampahany, 11 CSB I sy 17 CSB II simba, ary hopitaly lehibe miisa roa no voadona. Potika hatramin’ny 95% ny tanàna, na teo aza ny fiomanana lehibe. « Mbola olana lehibe eto Madagasikara ny fananganana trano anti-cyclone, izay mitaky politika sy programa nasionaly goavana », hoy ny Tale Jeneralin’ny BNGRC Jeneraraly Ramanantsoa Gabriel. Tamin’ny tanjaka Cyclone Tropicale Intense (CTI) nahatratra 260 km isan’ora no nidirany tao Toamasina ny 10 febroary. Nisy ny asa famonjena avy hatrany: fifanapiana ara-tsakafo, ara-bola, arak’olona. Mihoatra ny 25 000 traboina, ka nitarika ny fanambarana voina nasionaly sy antso fanampiana iraisam-pirenena. Nisy fanampiana avy amin’ny Firenena sy fikambanana maro: sakafo, fitaovana, vola, ary olona. Tao anatin’ny 15 andro voalohany dia nisy fanampiana vonjy taitra, ary ankehitriny miditra amin’ny dingana “relèvement” na fampijoroana indray ny fiainan’ny traboina. Eo anatrehan'ny resabe indrindra ny lafiny ara-bola kosa, nilaza ny BNGRC fa tsy mahita amin'ny antsipirihany ny ara-bola, tsy mizara vola,... ny tatitra a ara-bola, dia ireo olon-tsotra, fikambanana kelikely no tena mandalo ny BNGRC, raha ny fanazavan’ny Tale Jeneraliny. Na ny ao amin'ny BNGRC aza tsy mahita hoe ohatrinona ny vola ao androany, raha ny any amin'ny Banky ny BVF, fa ny « agent comptable » iarahana amin’ny Minisiteran’ny fitantanam-bola no mikirakira ny vola, eny fa na ireo « mobile money » aza. Misy programa sy tetikasa toy ny omen'ny sinoa izay 50 tapitrisa dolara, avy amin’ny Maorisianina,... fa tsy mbola any am-pelantanan'ny BNGRC.
TSY MAINTSY ARINDRA SY IARAHANA MANAPAKA…
Ireo voasoratra anatin'ny tetibolam-panjakana LFI no tena nampiasain'ny BNGRC miampy ireo fanampiana avy ato anatiny fa tsy mbola vola avy amin'ireo malala-tanana na Firenena namana, raha ny fanazavan’ny Tale Jeneraliny. Tsy maintsy mampiantso ny filankevi-pitantanana rehefa misy vola miditra ao amin'ny kaontin'ny BNGRC. Ny zavatra rehetra tapahana dia tsy maintsy avy ao amin'ny Cellule de Coordination (CO) izay tarihin'ny solontenam-panjakana ifotony dia ny Prefet, izay mpikambana ao ny BNGRC, PAM, croix rouge. Misy tsy miankina amin'ny BNRGC manokana noho izany fa tena miankina amin'ny rafitra hafa toy ny Minisiteran'ny toekarena, Minisiteran'ny raharaham-bahiny,... Na izany aza, efa nizara fanitso 10 000, vary 1150 taonina,... Eo amin'ny 12,5 kg isaky ny tokantrano izay kajiana hahatritra 5 andro. Ny olana raha amin'ny 10 ora vita ny lisitra, tonga ny kamio amin'ny 11 ora lasa avo roa heny. Nisy ny "rappel à l'ordre" amin'ireo manolotra fanampiana mba nahafahana nandrindra hoe ity alefa atsy na aroa. Misy rahateo ny endrika fanavakavahana na "ciblage" izay olona 20 na 30 no omeny dia maka sary izy tahaka ny nizara zato taonina, ka isan'ny tranga miteraka korontana. Niantso ny olom-pirenena hitory any amin’ny manam-pahefana avy hatrany ny BNGRC raha mahita endrika kolikoly sy fanodinkodinana.
Toky R