Nisokatra nanomboka omaly hatramin'ny rahampitso sabotsy etsy Kianja Mahamasina ny FIAM (Foire de l'industrie Agroalimentaire de Madagascar) andiany faharoa, karakarain'ny Red company, iarahana miasa amin'ny Faritra Analamanga, tambajotra RALI (Rassemblement des Agriculteurs Indépendants, ny FID, Minisiteran'ny fampianarana ambony,... Ahitana mpandray anjara sy mpampiranty hatrany amin'ny 150 maneho ireo vokatra Malagasy. Nanokatra ofisialy izany ny Lehiben'ny Faritra Analamanga Rtoa Clémence Raharinirina. "Resy lahatra izahay ato amin'ny faritra Analamanga fa ny fampandrosoana ifotony no antoky ny fandrosoan'ny faritra", hoy ny Lehiben'ny Faritra Rtoa Clémence Raharinirina. Nankahery ireo mpisehatra amin'ny fambolena sy ny fiompiana satria hitarafana ny fahaiza-manaon'ny tantsaha Malagasy, ary tsy fampiratiana fotsiny sehatra hifanojoana hitadiavana lalam-barotra. Mitaky fahaiza-manao, fahaiza-mamorona, kalitao, fahaizana mikaroka tsena na anatiny na ivelany. Naneho noho izany ny Faritra Analamanga fa manome lanja sy misokatra hatrany amin'ny fiaraha-miasa amin'ny sehatra tsy miankina , ary nanohanana hatrany ireo hetsika ara-toekarena, toy ny foara teny Ambohimalaza, Anosy Avaratra, Ankazondady,... ary anio dia hiazo an'Andramasina hanohana hetsika iray momba ny fampiroboroboana ny eny ifotony. Nanipika fa tsy vitan'ny Fanjakana irery ny fampandrosoana ny fampiroboroboana ny sehatra ifotony toy ny fambolena sy ny fiompiana, fa tsy maintsy mijery ny sehatra tsy miankina. Nankasitraka ny finiavan’ny Faritra Analamanga kosa ny mpikarakara tsy nanosi-bohon-tanana, ary maniry ny hitohizan’ny fiaraha-miasa. Notsipihin-dRandriantsehana Laingo Harivelo Tompon’andraikitry ny Red Company, fa zava-dehibe ity hetsika ity, izay maneho ny fitsinjovana sy fampiroboroboana ny vokatry ny tantsaha, manandratra ny ny Vita Malagasy. Notsipihiny, fa tena manana vokatra tsara sy miavaka isika, ka ny vokatra « bio » ohatra, dia tena lafo sy ifampitadiavana any ivelany, fa aty amintsika mbola tena azo sitrahana, fa kosa ny fifampizarana no mety tsy ampy, ka isan’ny fotoan-dehibe ho amin’izany ny Foara FIAM.
Toky R