Tonga eo amin'ny andiany faha-27 ny Fier-Mada amin'ity taona ity. Hotanterahina etsy amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka izany ny 5 ka hatramin'ny 9 Aogositra 2026. Hetsika ara-toekarana mampifandray mivantana ireo mpandraharaha eny ifotony dia ny tantsaha mpiompy sy mpamokatra amin'ny mpanjifa sy ny mpandraharaha ny Fier-Mada. Manokatra tsena sy lalambarotra vaovao, lavitry ny mpanelanelana, ho an'ny mpamokatra ihany koa. "Lalan-tany mateza tsara no hampifandraisana ireo toeram-pamokarana eny ambanivohitra amin'ny tsenan'ny Kaominina" no lohahevitra hiompanan'ny hetsika amin'ity andiany faha-27 ity. Ankoatra ny varotra sy fampirantiana vokatra dia hisy koa mpanakanto maro hifandimby hanafana ny fotoana sy hamalifaly ny mpitsidika tonga eny an-toerana mandritra ny hadimiana haharetan'ny hetsika, toa an-dry Noely Sakelidalana, Kaiamba tena izy, Mialy Rakotomamonjy, Ramilison Besigara zanany ...ary koa i Dadavy izay hanao ny fanentanana. Jean D.
Hetsika isany mahasaritra mpitsidika maro hatrany ny Fier-Mada