airtel

Sosialy

18-juin-2026

Fanarenana ny barazy

Befaka - Sahamadio

Sample post image

Sady hamokatra herinaratra no hanondraka tanimbary 1000Ha

18-juin-2026

Nampahafantarina ny vahoaka ao amin'ny Kaominina Sahamadio Fisakàna sy Fiadanana ary Milamaina Distrikan'i Fandriana fa hamboarina amin'izay ny barazy ao Befaka - Sahamadio. Tonga tany an-toerana nanambara izany ny solombavambahoaka voafidy tao Fandriana, Zavamanitra Andriamiharivolamena ny fiandohan'ny herinandro ity, nitarika ireo teknisiana tany an-toerana. Efa ho 5 taona tsy namboly vary intsony ireo mponina tamin'ireo Kaominina ireo noho ny fahasimban'io barazy io, ka velom-panantenana izy ireo ankehitriny. Nambara fa vitaina amin'ny faran'ny volana jolay hoavy izao ny fanaovana fanadihadiana rehetra ary hanomboka amin'ny volana Oktobra ny asa fanamboarana. Tanimbary 1000 hektara no hovoavatsy rano aorian'ny fahavitan'ny asa fanarenana ary dia hiverina indray koa ny jiro. Famatsiam-bola avy amin'ny Tahirim-bola iraisam-pirenena ho an'ny fampandrosoana ny fambolena (FIDA) amin'ny alalan'ny fandaharan'asa DEFIS (Développement des Filières Agricoles Inclusives) eo ambany fiahian'ny Minisiteran'ny fambolena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo no hanaovana azy izay hotanterahin'ny UNOPS (United Nations Office for Project Services).
Jean D.
 

Dans la même rubrique

07-août-2026

Mila ovaina ny sazy ho an’ireo

Card image cap
07-août-2026

Hatsangana any Androy ny ozinina goavana

Card image cap
07-août-2026

azo volena no voatondraka rano

Card image cap
06-août-2026

Hanomboka amin'ity volana ity ny asa

Card image cap