airtel

Sosialy

02-nov-2026

Fandravàna

tsena eny Behoririka

Sample post image

Nifandona ny mpitandro filaminana sy mpivarotra

02-nov-2026

Nifandona ny mpitandro filaminana sy mpivarotra ny alin'ny sabotsy teo tetsy amin'ny tsenan'ny Behoririka. Nitokona tsy nanaiky hiala toy ireo mpitatitra teny amin'ny Fasan'ny Karàna koa ireo mpivarotra, raha ny fampitàm-baovao voaray ka tsy nanaiky ny handravàna ny tsenan'izy ireo. Raikitra ny tora-bato sy ny fibahanana ny arabe, niampy fandoroana kodiarana sy ny toy izany rehetra. Andro efa tamin'ny 9 ora alina, mbola nirefodrefotra ny baomba mandatsa-dranomason'ny mpitandro filaminana. Andrasana indray, araka izany, ny mety ho tohin'ny fandaminana avy amin'ny fiadidiana ny tanàn'Antananarivo renivohitra amin'ity anio ity, raha ny fampitàm-baovao voaray hatrany.
Nangonin'i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

02-nov-2026

Tena zo fototra hoy ny Randrana Sendikaly

Card image cap
02-nov-2026

Nangotraka ny fifandonana, tsy mihemotra ny CUA…

Card image cap
02-nov-2026

Nitondra tohana ara-pitaovana sy

Card image cap
30-oct-2026

Azo hamahana tsara ny

Card image cap