Tena zo fototry ny mpiasa tsirairay miasa eny anivon’ny orinasa ny resaka sakafo hoy ny Randrana Sendikaly tarihin’Atoa Barison. Tato ho ato anefa dia nafampana ny resaka fanapoizinana ara-tsakafo ka tamin’ny ankapobeny dia ireo mpiasa hatrany no lasibatra. Nidina ifotony teny anivon’ireo orinasa maromaro teto an-drenivohitra sy tany amin’ny faritra ny Randrana Sendikaly noho izany ka nahazo tatitra sy fitarainana maromaro. Nahita maso ny resaka sakafon'ny mpiasa koa izy ireo. Fantatra tamin’izany fa ireo orinasa mikarakara sakafo ho an’ireo mpiasa ao aminy no tena betsaka. Misy koa anefa ireo samy mitondra avy any an-tranony ary ao am-piasana no mihinana fa tsy mivoaka ny mpiasa. Misy indray ireo mitondra sakafo ary mivoaka rehefa mihinana. Misy koa anefa ireo omen’ny orinasa solon-tsakafo raha misy tsy manome mihitsy ny sasany saingy ireo roa voalohany voasoratra etsy ambony no tena betsaka. Ny fehezan-dalanan’ny asa hoy Atoa Barison dia mamaritra mazava fa ao amin’ny titra soro-doza sy tandrim-pahasalamana amin’ny asa (Securite et Sante au Travail ) na SST ny resaka cantine (sakafo na solon-tsakafo). Isika eto Madagasikara hoy izy dia efa nanao sonia ny fifanarahana iraisam-pirenena fototra an'ny OIT ho an'ny SST izay manambara fa zo fototra ny resaka sakafo ho an’ny mpiasa. Nampianatra sy nanofana ireo mpikambana eo anivon’ny Randrana sendikaly mikasika izany Atoa Barison sy ny ekipany afak’omaly Sabotsy 30 Oktobra. Mbola hitohy ny 07 sy ny 08 Novambra ho avy izao izany. Loha-hevitra maro moa no mbola hovohabohasana toy ny hoe : loza am-perin’asa ve ny fahapoizinana ara-tsakafo any am-piasana ? Iza no tompon'andraikitra ?...
Pati
Legende : Tanjon’ny Randrana Sendikaly hatrany ny hampahafantatra ny mpiasa ny zony !