airtel

Sosialy

02-nov-2026

Tafapetraka

ny Fikamabanana Fanjiry Avaradrano

Sample post image

Nitondra tohana ara-pitaovana sy

02-nov-2026

ara-bola ho an’ny sahirana
Notanterahina ny 31 oktobra 2026, teny Ambohimangakely, ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny fikambanana FANJIRY Avaradrano. Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny Filohan’ny Fikambanana sady vadin’ny Filohan’ny Fanavaozana, Ramatoa Elisa Randrianirina, izay nanolotra tohana sy fanampiana ara-tsosialy toy ny efa natao tany amin’ny faritra maro. Notsindriana tamin’izany fa ny tena tanjon’ny fikambanana dia ny hanamafisana ny firaisankina sy hanitarana ny ezaka ho fampivoarana ny fiarahamonina.Anisan’izany ny fampianarana maimaim-poana ho an’ny ankizy taorian’ny rivo-doza tany Toamasina, ny famorana faobe teto Antananarivo ary ny fanampiana ireo traboina tany amin’ny faritra iva. Nisy ihany koa ny asa fanohanana ireo zaza kamboty sy marefo tany Toliara, Betroka, Vohipeno, Farafangana ary Ambilobe. Nandritra ny lanonana teny Avaradrano no nanolorana fitaovana isan-karazany ho fanamafisana ny asa sosialy, toy ny fitaovana famonoana bibikely, fitaovam-pitsaboana sy fanadiovana, ary fitaovana fanohanana ny fambolena sy ny fiompiana. Tafiditra tao anatin’izany ihany koa ny fitaovana fanabeazana sy ny fanatanjahantena. Nohamafisin-dRamatoa Elisa Randrianirina fa ny fifanohanana sy ny firaisankina no fototra iorenan’ny fampandrosoana. Nambarany fa tsy tokony hifantoka amin’ny fanomezana fotsiny ny ezaka atao, fa indrindra amin’ny fanomezana fahafahana sy fahaiza-manao hahafahan’ny olona mijoro sy miantoka ny hoaviny. Nanolotra vary 21 taonina sy fanampiana 50 tapitrisa ariary ny Fanjiry hanohanana ny asa sosialy sy ny mpiara-belona. Nanentana ny mpiara-belona sy ny Fikambanana samihafa hifampitsinjo Rtoa Elisa Randrianirina raha naneho hoe : "tsy misy fampandrosoana maharitra raha mbola misy Malagasy avelantsika mangataka eny amoron-dalana. Tsy hisy fiaraha-monina matanjaka izany raha tsy mifampitsinho isika samy Malagasy sy isika mpiara-belona ». Nanatrika ny lanonana moa ny Filohan’ny Fanavaozana, ny Kôlônely Michaël Randrianirina, niaraka tamin’ireo vadin’ny mpanolontsaina sy manam-pahefana sivily ary miaramila.
Toky R

 

Dans la même rubrique

02-nov-2026

Tena zo fototra hoy ny Randrana Sendikaly

Card image cap
02-nov-2026

Nangotraka ny fifandonana, tsy mihemotra ny CUA…

Card image cap
02-nov-2026

Nifandona ny mpitandro filaminana sy mpivarotra

Card image cap
30-oct-2026

Azo hamahana tsara ny

Card image cap