280000Ar avy, 3022 nisitraka asa takalo vola
Mitohy hatrany ny fanohanana ny mponin’i Toamasina taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani. Ankoatra ny fizarana sakafo izay tsy nisy fitsaharana dia efa niverina nanomboka ny 06 martsa 2026 ihany koa ny fizarana lelavola na "cash transfert " sy ny asa atakalo vola na "argent contre travail" amin’izao fotoana, hoy ny fampitam-baovao ofisialy avy amin'ny Biraom-pirenena misahana ny loza sy ny tandindon-doza na ny BNGRC. Araka ny mason-tsivana napetrak’ireo mpamatsy vola, dia laharam-pahamehana ny fanampiana ireo zokiolona marefo, ireo sembana ara-batana, ireo olona manana aretina, ireo tokan-tena, ireo mitaiza zaza ary ireo sokajin’olona marefo hafa. Araka ny antontan'isa ofisialy, tokantrano miisa 19.670 tao anatin’ny distrikan’i Toamasina I no efa nisitraka ny lelavola 280.000 Ariary avy amin’ny FID hatramin’izao. Mahakasika ny asa atakalo vola na ny « Argent Contre Travail » amin’ny alàlan’ny fanadiovana ny tanàna, dia miisa 3.022 ireo tokantrano nisitraka izany. Nomarihin'ny BNGRC fa mbola hitohy ny fizarana fanampiana ary hahazo izany ihany koa ny mponin’ny distrikan’i Toamasina II, ho fanamafisana ny ezaka hanarenana ny fiainan’ny vahoaka taorian’ny loza voajanahary.
Toky R