fa niakatra an-tanàna ny valala tany amin’ny Morondava renivohitra, faritra Menabe omaly tolakandro. « Efa any ny ekipa sy ny angidimby miandraikitra ny fandrarahana fanafody, saingy tsy afaka vonoina eo an-tanàna ireo andiambalala noho ny fitandroana ny fahasalamana", raha ny nambaran’ny Talen’ny sampan-draharaha misahana ny ady amin’ny valala tamin’ny fampahalalam-baovao. Efa tamin'ny volana febroary sy mey teo no nisian'ny andiam-balala tamin'iny faritra Menabe iny ka izao mbola mitohy izao, raha ny fanamarihana. Etsy andaniny, mbola tsy ampy iray volana izay ny FAO na ny Sampan-draharaha iraisam-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo sy ny fambolena no naneho fa ny 7 tapitrisa dolara hiadiana amin’ny andiam-balala nolaniana tao anatin’ny herintaona latsaka ny 2021-2022 ho an’i Madagasikara dia tokony nahafahana niatrika ny fisorohana mandritra ny 9 taona. Somary nisy lesoka ihany izany ny ady amin’ny adiam-balala raha raisina amin’io. Isan’ny manampy trotraka ny resaka tsy fanjarian-tsakafo moa ny andiam-balala noho ny fahapotehana goavana entiny, indrindra fa amin’ny fambolena.
Toky R
Mila tsy ho azo vidiana intsony ny legioma ao Mahajanga ao. Misy mivarotra 7.000 Ariary ny kilaon'ny karaoty,
Mahazo vahana raha araka ny nambaran’i Haingotiana Mamy Bernard ny kolikoly ao amin’ny fonjaben’i Betroka.
Raha tsiahivina, ny « Entreprise de l’année » dia fanasokajina orinasa nokarakarain’ny MEMENTO hampilaharana
Ny 1 may no nanomboka nihatra ny fanondrotan-karama, hoy ny Randrana sendikaly. Nandray ny mpiasam-panjakana ny faran’ny volana may, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga.
Nanomboka omaly 25 janoary hatramin’ny rahampitso io any Dakar Sénégal, ao amin’ny Centre international de Conférence Abdou Diouf (CICAD)
Anisan’ny faritra nitondra faisana vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Cheneso ny Faritra Melaky. Ny any Bekopaka no tena lasibatra tamin’izany nahitana tokantrano miisa 10 raha am-polony kosa ireo traboina.