airtel

Sosialy

18-juin-2026

Feno 10 taona ny sendika SSM

Lasa minisitra ireo filoha

Sample post image

roa nifandimby nitondra

18-juin-2026

2016-2026, feno 10 taona ankehitriny ny SSM (Solidarité Syndicale de Madagascar) na Valaben'ny Sendikan'ny Mpiasa eto Madagasikara. Niisa roa hatreto ireo filoha nifandimby nitondra ny SSM tao anatin'izay 10 taona nisiany izay. Dimy taona no faharetan'ny taom-piasana iray. Rtoa Fanirisoa Ernaivo no filoha voalohany nitantana ny SSM. Filohan'ny sendika SMM (Sendikan'ny Mpitsara eto Madagasikara) izy tamin'izany. Nandimby azy Atoa Herizo Andrianavalona. Filohan'ny SEMPIDOU (Sendikan'ny Mpiasan'ny Douane) ity farany. Samy mpikambana ao amin'ny governemanta Mamitiana Rajaonarison izy ireo ankehitriny. Minisitry ny Fitsarana, mpitahiry ny tombokasem-panjakana Rtoa Fanirisoa Ernaivo ary Minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr'andro Atoa Herizo Andrianavalona. Tranga maneho fa miombon'antoka hametraka fitoniana ara-tsosialy ny sendika sy ny fanjakana ankehitriny fa tsy mpifahavalo toy ny niseho tamin'ny fitondrana teo aloha, nanaovana antsojay ireo mpitarika sendika, tsy vitsy amin'izy ireo no nenjehina ara-pitsarana. Vondrona iraisan'ny sendika ampolony maro ny SSM ary saika sendika efa ela nijoroana sy niarovana ny zon'ny mpiasa ary koa mikarakara fiofanana ho an'ireo mpitarika sendika no mandrafitra azy. Homarihina amin'ny lanonam-pikoranana eny Iavoloha eny ny faha-10 taonan'ny SSM amin'ny sabotsy 20 jona ho avy izao tontolo andro.
Jean D.
Ireo filoha nifandimby nitondra ny SSM
 

Dans la même rubrique

14-août-2026

ireo tanora sy vehivavy

Card image cap
13-août-2026

nivarotra amoron-dalana

Card image cap
13-août-2026

ireo olona ho voakasika

Card image cap
13-août-2026

Nanolotra vary 5000 taonina ho an’i Madagasikara

Card image cap
13-août-2026

Nahitana fiakarany in-droa mihataona

Card image cap