airtel

Sosialy

29-juin-2026

FENOARIVO ATSINANANA

Trano 70 tafo kila forehitra, olona 2 naratra

Sample post image

Nirangana haintrano mahatsiravina

29-juin-2026

tany Ampasimpotsy, distrikan'i Fenoarivo Atsinanana afak'omaly Sabotsy 27 Jona tokony ho tamin'ny 02 ora sy sasany folakandro. Tokantrano iray no niavian'ny afo niparitaka tamina tokantrano miisa 70. Tafakatra 170 ireo traboina tsy manan-kialofana vokatr'izany raha miisa 2 kosa ireo naiditra hopitaly. Ny iray nianjera avy eny ambony tafontrano vokatry ny fikoropahana tamin'ny famoahana entana raha taitra noho ny fisian'ilay voina tampoka kosa ny iray ka voatery naiditra hopitaly. Nafoy tao anatin'ny indray mipi-maso monja mantsy ireo fananana nohariana an-taonany maro izay mitentina am-polony tapitrisa hoy ny vaovao azo. Tao anatin'ny ora telo moa vao voafehy ny afo nifandrimbonan'ireo fokonolona sy mpitandro ny filaminana. Tsy mbola mañana sampana mpamonjy voina mantsy ny ao Fenoarivo Atsinanana. Efa nafindra monina amina efitrano iray ao amin'ny EPP Ambatoria ireo traboina raha araka ny vaovao azo raha efa tonga nanatitra fanampiana ho azy ireo toy ny fotsim-bary 15 gony ihany koa ireo tompon'andraiki-panjakana isan-tsokajiny any an-toerana.
Pati

Légende : Nanenika ny tanana haingana tahaka izao ny afo !
 

Dans la même rubrique