no nomena fiofanana
Nampivondrona ireo talem-paritry ny Mponina sy firaisankina manerana ny Nosy ary ireo teknisiana ao aminy ny Ministeran’ny mponina nandritra ny andro. Tamin’ny alalan’ny atrikasa mendrika fiofanana no nanatontosany izany mba hanamafisana ny fahaiza-manaony sy hampifanaraka ny fomba fiasany amin’ny fiahiana ireo tokantrano marefo. Araka ny toromarika napetraky ny Minisitry ny Mponina sy Firaisankina, Rakotoniaina Voahanginirina dia natao hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo Talem-paritra sy teknisiana no tanjona hahafahana mampirindra kokoa ny fiahiana sosialy eny ifotony. Nifantoka tamin’ny tetikasa Haraton’aina sy ny Zara Mira ny fametrahana ny Birao Sosialin’ny Rejistra Tokana na RSU eny ifotony ny fiofanana hirosana amin’ny fiatrehana ny loza arahin’ny fanatsarana ny serasera. Niara-nisalahy tamin’izany ny Banky iraisam-pirenena, ny FID, ny UNICEF, ny BNGRC ary ny Ministeran’ny toe-karena sy ny Fitantanam-bola. Dingana iray hanatanterahana ny hiraka napetraky ny Filohan’ny Fanavaozana, Kolonely Randrianirina Michael, sy ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta izany mba hahatonga ny fiahiana sosialy ho voarindra, mahomby ary manakiaky ny mponina.
Pati
Legende : Santionany tamin’ireo niatrika ny fiofanana !