airtel

Sosialy

16-nov-2026

Fisaraham

-panambadiana tao Morondava

Sample post image

Tsy niatrika fitsaràna rangahy,

16-nov-2026

efa nanambady olon-kafa...
Tontosa ny 23 septambra 2014 tao Miandrivazo ny fisoratàm-panambadian'ny lehilahy antsoina hoe Solofoson sy ramatoa antsoina hoe Britta, raha ny fampitàm-baovao voaray avy amin'ity renim-pianakaviana voalaza anarana farany teo ity. Niteraka 2 vavy izy mivady avy eo ny taona 2016 sy 2022. Najanon-drangahy tao Morondava nefa izy 3 mianaka vady aman-janany fa nanorin-tokantrano niaraka tamina vehivavy hafa ao Maevantanana izy ary 3 taona izao no tsy nifankahitany tamin'ny ankohonany. Niroso tamin'ny fangatahana fisaraham-panambadiana teo anivon'ny fitsaràna, noho izany, ramatoa ka neken'ny teo anivon'ny fampanoavan'ny fitsaràna ambaratonga voalohany izany, raha ny didim-pitsaràna an-tanan'ilay ramatoa. Didian'ny fitsaràna ho ataon'izy mivady vao vita fisaraham-panambadiana ireto hatramin'ny 14 aprily 2026 teo, noho izany, ny hanatontosàna ny tokony ataony rehetra toy ny fizaràm-panànana sy ny famatsiana ara-tsakafo ho an'ny reny sy ny zaza. Rangahy nefa 3 taona izao no tsy hita ary tsy nanatrika ny fitsaràna ity raharaha ity ihany koa, hoy hatrany ny fampitàm-baovao voaray.
Nangonin'i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-nov-2026

Tompon’andraikitra maro

Card image cap
16-nov-2026

Miantso ny fanjakana handray fepetra ny Pr Joseph

Card image cap
13-nov-2026

Efa norasain'ny olona

Card image cap