ndeha hatao sakafo
Nisy trozona lehibe mirefy 2,5m eo fefika teo amin'ny torapasika Morondava Centre ny Alakamisy 12 novambra 2026 tokony ho tamin’ny 10 ora maraina. Trozona mbola velona izy ity, saingy tsy nisalasala namono azy ny Fokonolona nahita ka samy nandrasarasa saika hatao sakafo. Nalaky tonga teny an-toerana anefa ny solontenam-panjakana notarihin’ny Talem-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga ao Menabe, niaraka tamin’ny avy ao amin'ny Antokon-draharaha misahana ny fifamoivoizana an-dranomamy sy an-dranomasina na APMF, ny avy amin'ny sampandraharaha mpanaramaso ny jono ary Polisim-pirenena. Notsiahivin'ireo tompon’andraikitra ireo fa voarara ny mamono sy mihinana trozona, voasokajy ho biby arovana ihany koa izy ireny. Taorin'izay dia nalevina ilay trozona.
Jean D.