Tsikaritra ho nitombo ny ora fahatapahan'ny herinaratra tato. Tena maharitra 4 na 5ora ny toerana sasany, na mety mihoatra aza, raha ny tsikaritra omaly. Ny mahagaga, anatin'ny fotoana mahabetsaka ny rotsak'orana izay midika fa ampy tsara ny rano hanodinana an'Andekaleka sy Antelomita no vao mainka mampangotraka ny delestazy. Fifandrifian-javatra ve ny hoe taorian'ny fakan'ny Fanjakana tamin'ny alalan'ny "réquisition" ny toby fihariana herinaratra an'ny Karana na ny ENELEC any Toamasina no mihamafy ny olana ? Nialohan'izany, ny volana jona 2026 isika no nanapaka ny fifanarahana fanofana milina amin'ny Henri Fraise,... Naneho fahasahiana ny Fanjakana manoloana ireo fifanarahana mamono ny Jirama, tahaka izany ihany koa ny fanovana lalàna momba ny solika, fanapahan-kevitra hividy solika mivantana ho an'ny Jirama nisian'ilay 63 tapitrisa litatra ny aogositra teo, hiantohana ny famatsiana enim-bolana,... Ny PRRM tenany no namaky bantsilana toy ny hoe: aloa foana ny 65% na inona na inona vokatry ny ENELEC. Ny faran'ny volana jolay no nilazany raha nihaona tamin'ny diaspora tany Egypte hoe: "te hamono tena ve aho sa tiako hikorontana ny fitondrako ?", taorian'ny fanambarana nataony nanome fe-potoana herinandro ny orinasa ENELEC hamahana ny olan’ny herinaratra ao Mahajanga, Antsiranana, Toamasina. Misy dikany, hoy izy, matoa ilay olona tsy nahasahy hatramin’izay hatramin’izay satria tsy mbola nisy mpitondra nahasahy niteny mpandraharaha matanjaka anankiray amin’ny resaka herinaratra ao Madagasikara. Nanamafy ny tenany, fa misy dikany matoa ilay olona tsy nahasahy hatramin’izay fa raha nieritreritra an’izay aho hoe mamono tena na hiteraka korontana amin’ny fitondrako dia tsy nahasahy mihitsy, fa tsy maintsy miroso, tsy maintsy mahasahy,… ka nilazany tamin'izany hoe: "ilako fanohanana avy amin’ny vahoaka Malagasy". Mbola vao iray no navoaka fa mbola ho avy ny sasany ka ianareo vahoaka Malagasy mieritreritra ve hoe ireo olona ireo ve ho faly amin’ny ezaka sy fahasahiana ataonay ? Tsy hanao ny fomba rehetra ve izy hanakorontanana anay ? Tsy miteny hoe ilay noteneniko io no manakorontana fa izay mitovitovy amin’izay trandra izay, hoy ny PRRM. 3 volana aty aoriana sy herinaratra taorian'ny "réquisition" tamin'ny orinasa matanjaka, fifandrifian-javatra ve ny fahatapahana goavana misy amin'izao fotoana izao ? Vao herinandro ihany koa no nilazan'ny Filohan'ny Filankevi-pitantantanan'ny JIRAMA fa « Karazana orinasa Frantsay ireo, fa aoka kosa hazava ny resaka, angamba tsy fotoanan’ny fanjanahantany isika izao, fa firenena mahaleotena, ary tsy hananana « sentiments » mihitsy izany, tsy maintsy miady hatramin’ny farany. Rehefa tsy faly ry zareo dia mahazo miala, fa tsy hoe rehefa Frantsay dia tsy maintsy mitanondrika isika, manaraka baiko hatramin’ny farany, fa tsy misy manaraka baiko eto raha ohatra ka tombotsoam-pirenena no resahana ». Teboka 05 no nambarany fa namotika ny orinasa JIRAMA ka anisany ireo mpamatsy herinaratra na « fournisseur d’électricité » amin'ny JIRAMA. Mipetra-potsiny ve ireo vondrona ara-toekarena matanjaka mifehy sehatra stratejika toy ny angovo? Olana teknika tsotra ve ny miseho ankehitriny sa misy antony avy amin'ny ady mangatsiaka ? Ny zava-misy ankehitriny dia manamafy ny filàna fahasahiana politika goavana ara-angovo mitodika any amin'ny fahaleovan-tena ara-pamokarana ho an'ny Jirama, fialana tsikelikely amin’ny fiankinan-doha samihafa, fanamafisana sy fanamorana ary fampiroboroboana ny angovo azo havaozina,...
Toky R