airtel

Sosialy

11-nov-2026

Faha 60

taonan’ny mpanara-maso ny varotra sy fifaninànana

Sample post image

Hitohy ny fampahafantarana

11-nov-2026

ny asa amin’ny vahoaka
Hiditra amin’ny ivon’ny fankalazàna ny faha 60 taonan’ny mpanara-maso ny varotra sy fifaninànana na «Corps des commissaires du commerce et de la concurrence» ankehitriny isika eto Madagasikara, raha ny fampahafantarana nataon’ny sendikan’izy ireo na SACCCM omaly. Hisy ao anatin’izany, raha ny fampahalalàm-baovao voaray, ny 18 sy 19 novambra 2026, manomboka amin’ny 10 ora maraina, eo amin’ny Parvis Analakely, ny varavarana misokatra ho fampahafantarana ny asan’ity sampana eo anivon’ny minisiteran’ny varotra sy fanjifàna ity. Satria moa amin’ny taona ity ihany no 60 taona ny sampana dia heverina fa rariny raha mba hiara-paly noho ny fahatongavana amin’izany vanim-potoana lehibe izany ny mpisehatra sy ireo izay maniry hiombona amin’izany rehetra, hoy ny filohan’ny SACCCM, Anicette Raharimalala. Hitohy eny amin’ny Espace Rose By-Pass, noho izany, hoy izy, ny fety, amin’ny alalan’ny antsoina hoe «Nuit des commissaires», ny alin’ny 20 novambra, manomboka amin’ny 9 ora alina. Hitohy hatrany, araka izany, ny fampahafantarana ny asan’ny atao hoe mpanara-maso ny varotra sy fifaninànana amin’ny vahoaka ao anatin’izao fankalazàna izao ary izany dia eo ambany fitantanan’ny fitondràm-panjakàna amin’ny alalan’ny filohan’ny fanavaozana sy ny praiminisitra lehiben’ny governemanta. Eo ambany fiahian’ny minisitry ny varotra sy fanjifàna ihany koa, mazava ho azy, hoy hatrany ny fanazavàn’ny filohan’ny Sendika.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

12-nov-2026

amin'ireo orinasa vahiny?

Card image cap
12-nov-2026

Hohamoraina ny fitsinjovana

Card image cap
12-nov-2026

Amboarina avokoa ny

Card image cap
11-nov-2026

Olona miisa 2 no maty,

Card image cap