airtel

Sosialy

12-nov-2026

FARITRA

VAKINANKARATRA

Sample post image

Hohamoraina ny fitsinjovana

12-nov-2026

ireo vahoaka sahirana
Hohamoraina ny fitsinjovana sy fanampiana reo vahoaka sahirana any amin’ny Faritra Vakinankaratra. Nihaino ny fangatahan’ireo mpiara-miombon’antoka nasionaly sy iraisam-pirenena ny Minisitry ny Mponina sy Firaisankina, Rakotoniaina Voahanginirina Cathia, indrindra fa ireo mpiara-miasa ao amin’ny Fitaleavam-paritra ao Vakinankaratra. Nodinihin’ny roa tonta noho izany ny hanafainganana ny fikarakarana ny taratasy fankatoavana mba hahafahan’izy ireo manatanteraka ny asa sosialy ho an’ny mponina. Tao amin’ny tranom-pokonolona kosa dia nampahafantarina ireo fikambanana ny maha-zava-dehibe ny fijoroana ara-dalana sy ny fisoratana anarana eo anivon’ny Ministera. Hanampy amin’ny fahafantarana ireo mpisehatra sy manamora ny tolotra sosialy eny ifotony izany. Tsiahivina fa nihaona tamin’ireo Talem-paritra 24 manerana ny Nosy koa ny Ministra. Nanome toromarika momba ny fitantanana ny fitaleavam-paritra sy ny laharam-pahamehana amin’ny asa Ramatoa Minisitra nandritra izany. Ny fidinana ifotony, ny fihainoana ny mponina ary ny fanampiana ireo tena sahirana no nasongadiny mba hanakaiky kokoa ny vahoaka ny tolotra sosialy omen’izy ireo.
Pati
Legende : Maika ny fikarakarana ny sosialin’ny mponina ho an-dRtoa Ministra sy ny ekipany !
 

Dans la même rubrique

12-nov-2026

amin'ireo orinasa vahiny?

Card image cap
12-nov-2026

Amboarina avokoa ny

Card image cap
11-nov-2026

Olona miisa 2 no maty,

Card image cap
11-nov-2026

Hitohy ny fampahafantarana

Card image cap