lasa ny tafon’ny EPP…
Lasan'ny rivotra ny tolakandron’ny omaly ny tafon'ny EPP Andrefan'i Gara, ao Tsiroanomandidy tanàna, raha ny fampitàm-baovao voaray omaly. Dobo rano tanteraka ny efitrano fianarana. Namono olona indray ihany koa ny varatra. Raim-pianakaviana 70 taona avy nanao raharaha tany an- tsaha, hamonjy fodiana no nilatsaham-potaka teny an-dalana, mbola ny tolakandron’ny omaly ihany tao Ambohibary Kofay, kaominina ambanivohitr’i Tsiroanomandidy Fihaonana, distrikan’i Tsiroanomandidy hatrany. Maty tsy tra-drano ity raim-pianakaviana ity ary maina tanteraka ny vatany. Renim-pianankaviana iray taitra tampoka vokatry ny fidoboky ny varatra ny tolakandron’io omaly io tao Tsiroanomandidy tanàna ihany koa no namoy ny ainy. Efa nisy aretina nitaiza ity ramatoa ity. Taorian'ny fahatairany dia nentina namonjy hopitaly saingy tsy tana ny ainy. Avy etsy Andrefan'i Gara io renim-pianankaviana io fa mivarotra legioma tao an-tsenabe. Mbola nikija ny orana tao Tsiroanomandidy renivohitra mandrak’alin’ny andron’ny omaly. Narahin'Avandra sy kotroka izany ny atoandro. Tena mafy dia mafy ity oram-baratra narahin’avandra tao Tsiroanomandidy omaly ity ka vokany dia olona miisa 2 no maty, lasa ny tafon’ny EPP, dobo rano ny sekoly, raha ny fampitàm-baovao voaray hatramin’ny harivan’ny omaly hatrany.
J. Mirija