airtel

Sosialy

16-nov-2026

FIFANAMBADIAN’NY

LAHY SAMY LAHY

Sample post image

Miantso ny fanjakana handray fepetra ny Pr Joseph

16-nov-2026

Manoloana ny tranga mahatsiravina sy mamoafady izay mifanohitra tanteraka amin 'ny sitrapon ' Andriamanitra no sady mampiana - dratsy ny tanora Malagasy izay tsikaritra tao anaty tambazotran - tserasera, dia ny fisiana lehilahy roa nifanolotra peratra fa hoe : hifanambady, dia manaitra ny Fitondram-panjakana Pr Joseph. Handeha isika hiverina an - doharano hoy izy ary manao antso avo amin 'ny fitondram - panjakana izay mijoro ankehitriny mba handray fepetra, satria manalabaraka ny maha mpiandry anao ireny Atoa PRRM Kolonely Michaël Randrianirina raha toa ka tsy handraisana fepetra henjana. Hoy aho hoe : Andeha isika hiverina an - doharano, dia ny tamin 'ny namoronan ' Andriamanitra antsika olombelona mba tsy hahafahatsika manaotao foana sy hahatonga antsika hanaja ny rafitra izay efa nataon ' Andriamanitra Mpahary antsika. Hoy mantsy ny voasoratra ao amin 'ny ( Genesisy1 : 27 - 28 sy ny Genesisy 2 : 21 - 23 ) manao hoe : Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny ; tahaka ny endrik ' Andriamanitra no namoronany azy ; lahy sy vavy no namoronany azy. Ary Andriamanitra nitso - drano azy hoe : Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy ; ary manjakà amin 'ny hazandrano ao amin 'ny ranomasina sy ny voro - manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin 'ny tany. Ary Jehovah Andriamanitra nahasondrian - tory an - dralehilahy, ka dia natory izy ; dia naka ny taolan - tehezany anankiray Izy ka nanankombona nofo ho solony. Ary ny taolan - tehezana izay nalain ' i Jehovah Andriamanitra tamin - dralehilahy dia nataony vehivavy ka nentiny tany amin - dralehilahy. Ary hoy ralehilahy : Ankehitriny dia taolana avy amin 'ny taolako sy nofo avy amin 'ny nofoko ity ; ity dia hatao hoe vehivavy satria lehilahy no nanalana azy. Amen. Koa araka ireo tenin ' Andriamanitra ireo, dia olona roa lehilahy sy vehivavy irery ihany no noforonin ' Andriamanitra, fa tsy misy mihitsy fanampiny hoe : olona fahatelo sarin - dahy na sarim - bavy. Noho izany : Andeha isika vahoaka Malagasy hanalavitra izay rehetra tsy mifanaraka amin 'ny sitrapon ' Andriamanitra, fa mahatonga loza ho antsika sy ho an ' ity Madagasikara tanindrazatsika ity izany. Eny, tsy io fifanambadian 'ny mitovy fananahana io ihany hoy Pr Joseph no mampidi - doza ho antsika vahoaka Malagasy sy ity Madagasikaratsika ity, fa eo koa ny fanaovana kolikoly sy ny fanompoana sampy na ny fijangajangana ara - panahy. Koa anjaratsika rehetra ary no mandinika ankehitriny, fa saro - piaro amintsika Andriamanitra, ka izany no anaovana antso avo amintsika, araka izay voasoratra ao amin ' ny ( Jeremia 3 : 14 - 15 ) manao hoe : Miverena, ry zaza mpiodina, hoy Jehovah, fa Izaho ihany no vadinareo : Ary hangalako iray isan - tanàna ianareo sy roa isam - pokony, ka ho entiko any Ziona ianareo ; Dia homeko mpitondra araka ny sitrapoko ianareo. Izay hitondra anareo amin 'ny fahalalana sy ny fahendrena. Koa araka izany : Andron 'ny fanavaozana izao, araka ny tenin ' Andriamanitra izay voasoratra ao amin 'ny ( Apok 21 : 5 ) manao hoe : Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Noho izany : Meteza isika rehetra hohavaozin ' ny Tompo, fa aza manao hoe : Efa toetrako ny ho sodomita sy mijangajanga ary ny manompo sampy sy manao kolikoly, fa izany rehetra izany dia hanana anjara ao anatin 'ny farihy mirehitra afo sy solifara ; izany no fahafatesana faharoa, araka izay voasoratra ao amin 'ny Apokalipsy 21 : 8.
Pati
Legende : Izy no Pr Joseph !
 

Dans la même rubrique

16-nov-2026

Tsy niatrika fitsaràna rangahy,

Card image cap
16-nov-2026

Tompon’andraikitra maro

Card image cap
13-nov-2026

Efa norasain'ny olona

Card image cap