ny iraka avy amin’ny Fanjakana Amerikanina eto amintsika, niaraka tamin’ireo solontena avy amin’ny USAID sy ny masoivoho amerikanina eto amintsika. Niazo ny tapany Atsimon’ny Nosy ny 14 ka hatramin’ny 17 aprily, mba nijery akaiky ireo hetsika natao hanohanana ireo fiaraha-monina tra-boina vokatry ny fiovan’ny toetrandro. Ity fitsidihana ity dia nanasongadina ny ezaka iraisan’i Etazonia, ny PAM (Programme Alimentaire Mondial), ny UNICEF ary ny fitondram-panjakana malagasy, hoy ny tatitra. Miara-miasa ireto mpiara-miombon’antoka ireto mba hanamafisana ny faharetana sy fiatrehan’ny mponina ny zava-misy, hanatsarana ny fiarovana ara-tsakafo ary hampiroborobo ny fihinanana sakafo mahasalama. Anisan’ireo tetikasa lehibe notsidihina ny fitantanana ny trano fitehirizana entana ao Fort-Dauphin, ny fizarana sakafo mandritra ny fotoanan’ny haintany ary ny vahaolana manavao toy ny tobim-pahefana azo avy amin’ny masoandro, izay tena manova fiainana any amin’ny faritra ambanivohitra. Ity fiaraha-miasa maharitra eo amin’ny PAM sy ny USAID ity dia taratry ny fanoloran-tena iombonana hanome fanohanana mazava ho an’ireo fiaraha-monina marefo indrindra, ary koa hanandratra vahaolana maharitra amin’ireo fanamby ateraky ny fiovan’ny toetr’andro. Indrisy anefa fa efa andalam-pifaranana ny USAID saingy asa raha mba efa manana politika sy vahaolana hiatrehana ny fahabangany ny fitondrana Malagasy ?
Toky R
Tsy mety aminay mpivarotra ny fandravàna ny tantsaha sy ny tsenan’Alarobia,
Araka ny antontan’isa azo omaly alatsinainy tamin'ny 6 ora hariva tao amin'ny CHU-JRA
Ny 50%-n’ireo mponina ao anatin’ny kaominina Itaosy Atsimondrano raha kely dia