Nakatona vonjimaika ny toeram-pivarotana lehibe iray teto Antananarivo noho ny tsy fanarahana ny fepetra ara-pitehirizana entana sy sakafo mora simba. Araka ny fanadihadiana nataon’ny mpanaramaso avy amin’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC), dia hita fa nihoatra ny mari-pana tokony ho 3°C ny « fiche technique » nomen’ny tranombarotra. Vokatr’izany dia nogiazana ireo entana lany daty sy nampiahiahy, ary nametahana marika tsy azo kitihina intsony. Voakasika ny hena voahodina, na charcuterie, ny fromazy, ny sakafo masaka ary ny fivarotan-kena. « Raha tokony ho tazonina 3°C ny fampangatsiahana, rehefa tonga eo amin’ny toeram-pivarotana na fampirantiana anefa ny entana dia misy hatramin’ny 8°C », hoy ny Tale jeneralin’ny Varotra anatiny sy ny Fanjifana Gilchrist Rakotoson, nanamafy fa mety hiteraka fiovaovan’ny mari-pana sy loza ho an’ny mpanjifa izany. Naka santionany hena sy fromazy ihany koa ny ekipan’ny ministera, izay alefa hotiliana any amin’ny laboratoaran’ny ACSQDA eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Nanomboka ny 1 jona moa ary mitohy mandra-pahatapitry ny fety ny hetsika fitsirihana faobe manerana ny Nosy, ka anisan’ny hamafisina ny fanaraha-maso ny kalitaon’ny entana eny amin’ireny Grande Surface ireny. Antananarivo, Ankorondrano, Tanjombato, Digue, Analakely sy toerana hafa no efanipariahan’ireo ny kaomisera sy ny mpanaramaso, araka ny toromariky ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana Haingotiana ANDRIAMADISON. Naka santionany hena sy fromazy ihany koa ny ekipan’ny ministera, izay alefa hotiliana any amin’ny laboratoaran’ny ACSQDA eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. « Hitohy ary hihamafy ny fanaraha-maso an’io kalitaon’ny entana amidy eny amin’ny tsena io », hoy hatrany ny Tale jeneralin’ny Varotra anatiny sy ny Fanjifana. Namafisina fa nyu fanaraha-maso hentitra toy izao dia natao hiarovana ny mpanjifa amin’ny loza mety hateraky ny fitehirizana tsy manara-penitra sy ny entana mora simba, ary mety hitarika hatramin’ny sazy ara-panjakana sy dingana maro hafa ho an’ireo mpivarotra minia tsy manaraka ny fitsipika.
Toky R
Fitsarana Ambaratonga Voalohany (TPI)