airtel

Sosialy

05-oct-2026

FIHINANAN’NY

MALAGASY ATODY

Sample post image

Mbola vao 20 isan’olona isan-taona

05-oct-2026

Mbola tena ambany dia ambany tokoa ny tahan’ny fihinanan’ny Malagasy atody eto amintsika. Mbola vao 20 isan’olona isan-taona monja mantsy izany na dia anisan’ny sakafo be proteina mitovy amin’ny hena aza izy ireny. Vidiana 20.000 Ar ny iray kilao amin’ny hena eny an-tsena ankehitriny hoy Rtoa Nomenjanahary Anjaratiana, indray mihinana ho an’ny ankohonana iray raha misy olona miisa 6. Raha mividy atody kosa anefa hoy izy dia mahazo 30 isa izany ka ao anatin’ny 5 andro tsy tapaka dia afaka mihinana atody iray hatrany ny olona 6 mianaka. Hahazoana tombony kokoa ny fihinanana atody hoy izy, ary tsy reraka izany mikarakara ny Festival des oeufs isan-taona izay miditra amin’ny andiany fahadimy tamin’ity taona 2026 ity. Tsy miova ny tanjona hoy izy fa ny hampitomboana hatrany ny tahan’ny tokantrano Malagasy manjifa sy mihinana atody ho tombontsoa ambonin’ny fahasalamana. Nifarana omaly Alahady 04 Oktobra ny Festival des oeufs notanterahina tao amin’ny kaominina Antanetibe Mahazaza. Naharitra 3 andro izany. Nisy ny fampirantiana ireo karazana lalam-pihariana mifandraika amin’ny atody toy ny akoho manatody lava sy fakana nofony nandraisan’ireo orinasa manana traikefa manokana amin’izany. Toraka izany koa ny resaka fiompiana tantely, ny trondro, ny kisoa....rehefa asa fihariana hahafahan’ny tokantrano Malagasy mivelona sy mivoatra.
Pati
Legende : Sakafo be proteina sy tena ilain’ny vatana ny atody!
 

Dans la même rubrique

05-oct-2026

ataon’ny Fitondrana, saingy

Card image cap
02-oct-2026

Hohamafisina ny lalana sy ny fiarovana

Card image cap
02-oct-2026

Entana lany daty 2 taonina

Card image cap
02-oct-2026

Olona 1250 no nandray anjara

Card image cap