airtel

Sosialy

27-mars-2023

Sosialy

Fikambanana « JAMAIS MORT » Nanampy ny vahoaka tany Vangaindrano

Sample post image

Ho fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2023 dia nanatanteraka hetsika sosialy tany amin’ny distrikan’i Vangaindrano ny fikambanana Jamais Mort. Fitsinjarana

27-mars-2023

maimaimpoana jiro mandeha amin'ny herin'ny masoandro miisa 30 manana tanjaka 800 w ho an’ireo Fokontany teo ao anatin’ny distrika no nataony tamin’izany dia ny Fokontany Nanasana , Fokontany Mahandroa ary ny Fokontany Ampasimalemy mba ho valimbabena sy ho fampandrosoana ny tanàna niavina. Zanakin'ireo tanàna ireo mantsy ankamaroan’ireo mpikambana ao anatin’ny Jamais Mort. Ankoatra ireo dia nisy ihany koa ny fitsaboana maimaimpoana sy fanalana nify natao niarahana tamin'nympitsabo manana traikefa manokana momba izany. Ho fanajana ihany koa ny Ray aman-dreny sy ho famerenana ny firaisankina ary ny fihavanana no anton’izany. Ao anatin’ny kolontsaina Antesaka moa dia nanolotra omby ho an’ny AmpanjakateloTroky ny fikambanana sy ny Zanakala ary nyTetikasa Zava-manitra. Ho mariky ny fizivana misy eo amin’iny faritra atsimo iny moa no hanoloran’ny Tetikasa Zava-manitra sy ny Zanakalaizany, mba ho fanamafisana ny firaisankina sy ny firahalahiana. Tsara ny mampatsiahy fa mifantoka amin’ny asa sosialy sy asa fampandroasana ny faritra ny fikambanana tao anatin’izay 17 taona nijoroany izay ary efa misy mpikambana 1000 mahery manerana ny Nosy.
Pati
Legende : Nandritra ny lanonana notanterahina tamin’ny faran’ny herinandro teo
 

Dans la même rubrique

20-mai-2025

Olana miampy olana mandavan-taona ny an’ny Jirama !

Card image cap
19-mai-2025

Navoitran’ny tatitra “Born into the Climate Crisis 2. An Unprecedented Life :

Card image cap
19-mai-2025

Mahatratra 2.400 ny isan’ireo mpiasa maty am-perin’asa isan-taona ho antsika eto Madagasikara,

Card image cap