mikambana etsy Andraharo ny filohan’ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra eto Antananarivo na SECES Antananarivo, Pr Sammy Grégoire Ravelonirina, sy ny sekretera jeneralin’ny Randrana sendikaly, Barson Rakotomanga, omaly. Niompana tamin’ny fiainana ara-tsendikaly eto Madagasikara taorian’ireny zava-nitranga tamin’izy mirahalahy ireto ireny ny lahadinika, raha ny angom-baovao natao, amin’ny maha mpikamban’ny rafitry ny firenena mikambana misahana ny asa an’i Madagasikara. Tsiahivina fa nisy ny taratasy nalefan’ireto sendika ireo niantefa tany amin’ny foibe iraisampirenena momba ny asa any Genève, Suisse, taorian’ireny raharaha naha voakasika ireto sendikalista mirahalahy teto Madagasikara ireto. Araka izany dia efa voatatitra any ny momba ny tranga teto Madagasikara izay mbola maha voasaringotra azy mirahalahy ireto ka nahazoan’ny filohan’ny SECES fanaraha-mason’ny fitsarana ary fahafahana vonjimaika kosa ho an’ny sekretera jeneralin’ny Randrana sendikaly. Ny 12 desambra izao moa no ho tsaraina ny raharaha mahakasika azy mirahalahy ireto.
J. Mirija
Olana miampy olana mandavan-taona ny an’ny Jirama !
Navoitran’ny tatitra “Born into the Climate Crisis 2. An Unprecedented Life :
Mahatratra 2.400 ny isan’ireo mpiasa maty am-perin’asa isan-taona ho antsika eto Madagasikara,