airtel

Sosialy

06-oct-2026

FIOMANANA

AMIN’NY FOTOAM-PAHAVARATRA

Sample post image

Manomboka ny asa fanadiovana ireo tata-drano

06-oct-2026

Fotoana fohy sisa dia hiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra isika. Ilana fiomanana izany hisorohana ny tondra-drano indrindra fa ny eny amin’ny faritra iva. Natomboka tao amin’ny Fokontany Andohatapenaka I sy Ambodihady ary Ambohimanarina ny faran’ny herinandro teo ilay hetsika asa takalo sakafo na «Vivres contre travail » (VCT), entina manatanteraka izany. Mampiray hira ny mponina ny fisian’ny hetsika fahadiovan’ny tanana tahaka izao no sady manampy ireo fianakaviana marefo. Mandray anjara mivantana amin’ny asa ireo mpahazo tombontsoa indrindra fa ireo vehivavy sy ny olon-dehibe izay tena maro an’isa tokoa. Nambaran’ny tompon’andraikitra moa fa mbola hiitatra any amin’ireo Fokontany hafa mandrafitra ny kaominina Antananarivo renivohitra ny hetsika, mba hisian’ny tanàna madio kokoa sy ny fiarahamonina vonona hiatrika ny fotoam-pahavaratra. Tsiahivina fa ankoatra ny fako tsotra dia ny harona sachet plastika sy ny tavoahangy plastika no mameno ny 80%-n’ireo fako manentsina ny tatatra eto an-drenivohitra.
Pati
Legende : Mandeha tsara tahaka izao ny asa !
 

Dans la même rubrique

05-oct-2026

ataon’ny Fitondrana, saingy

Card image cap
05-oct-2026

Mbola vao 20 isan’olona isan-taona

Card image cap