airtel

Sosialy

21-janv-2026

Fiondranana antsokosoko makany Mayotte

Olona 19 sarona niaraka tamin’ny rongony 3 kitapo

Sample post image

Raha somary nangingina tato ho

21-janv-2026

ato dia miverina indray ny tranga fitsoahana sy fiondranana antsokosoko miala eto Madagasikara makany amin'ireo Nosy rahavavy. Saron'ny zandarimaria ao Nosy Be ny 18 janoary teo ny olona 19 be izao nikasa handeha an-tsokosoko hihazo an’i Mayotte departemanta frantsay any ampitan-dranomasina. Ity fahatrarana ity dia nahafahan’ny mpitandro filaminana nanakana fiezahana iray mampidi-doza sy nahitana asa ratsy mifamatotra amin’ny tambajotra mpampita olona satria nandritra ny fisavana ihany koa dia nahita kitapo telo feno zava-mahadomelina ny zandarimaria, manamafy indray ny fifandraisana matetika misy eo amin’ny mpampita olona sy ny trafikan-drongony. Araka ny fanazavan’ny zandarimaria dia tena mampidi-doza ny fiezahana hiala an-tsokosoko amin’ny ranomasina satria tsy misy fiarovana na antoka ara-piarovana ka mety hitarika amin’ny loza mahafaty sy faharendrehana eny an-dranomasina. Nampahatsiahy ny komandin’ny zandarimaria ao an-toerana, ka manentana ny vahoaka indrindra ny tanora mba tsy ho voafitaka amin’ny fampanantenan’ny tambajotra mpanondrana olona an-tsokosoko ary nanamafy fa ny dia iraisam-pirenena rehetra dia tsy maintsy atao amin’ny lalana ara-dalàna. Ity hetsika nataon’ny zandarimaria tao Nosy Be ity dia manamarika indray ny ady atao amin’ny fifindra-monina an-tsokosoko sy ny trafikan-drongony ary manambara fa mitohy ny ezaka hanakanana ireo tambajotra mampidi-doza izay manararaotra ny fahasahiranan’ny olona maro, hoy ny zandarimaria ao Nosy Be.
Toky R
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

Ampiana sy tohanana ireo tanora mitady

Card image cap
06-mars-2026

no lohalaharana eto amintsika

Card image cap