airtel

Sosialy

18-juin-2026

Fisokafan'ny taom-piotazana

8.000 Ariary ny kilaon'ny

Sample post image

kafe any Fitovinany

18-juin-2026

Nosokafana ofisialy omaly tao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Andemaka, Distrikan'i Vohipeno ny taom-piotazana sy taom-pambolena kafe 2026 ao amin'ny Faritra Fitovinagny. Manodidina ny 2.000 Ariary ny kapoaka iray, raha 8.000 Ariary kosa ny kilaony amin'izao fanombohan'ny taom-piotazana Kafe izao. Nanamafy ny tsy maintsy hanajana ny lalàna sy ny fitsipika mifehy ny fiotazana, ny fanangonam-bokatra ary ny varotra kafe, ny Lehiben'ny Faritra Fitovinany, Razafintsiandraofa Jean Brunelle, ho fiarovana ny tombontsoan'ny tantsaha sy ho fanatsarana ny kalitaon'ny vokatra. Ny tetikasa PIC3 koa tetsy ankilany dia manome tantsoroka ireo mpamokatra sy mpandraharaha amin'ny alalan'ny fanentanana sy fanomezana toromarika mikasika ny fanarahana ireo fenitra takian'ny tsena anatiny sy ivelany, mba hampitomboana ny kalitao sy ny sandan'ny kafe vokarina eto Fitovinagny. Amin'ny 02 Jolay 2026 no fisokafan’ny taom-piotazana kafe ho an’ireo faritra an-tendrombohitra.
Jean D.
Fanokafana ny taom-piotazana kafe tao Andemaka, Distrikan'i Vohipeno
 

Dans la même rubrique

14-août-2026

ireo tanora sy vehivavy

Card image cap
13-août-2026

nivarotra amoron-dalana

Card image cap
13-août-2026

ireo olona ho voakasika

Card image cap
13-août-2026

Nanolotra vary 5000 taonina ho an’i Madagasikara

Card image cap
13-août-2026

Nahitana fiakarany in-droa mihataona

Card image cap