tontolo andro ilay fizaram-bary avy amin’ny Fitondram-panjakana. Vahoaka tsy tokony sy forohana no tazana teny amin’iny faritra iny ka nisy mihitsy ireo fantatra fa natory teny an-toerana niambina laharana nanomboka afak’omaly alina. Vehivavy ny 80%-n’izy ireo ka misy ireo mbola mampinono kely raha tsy lazaina intsony ireo zokiolona efa manjoko. Saika feno vahoaka nilahatra teny amoron’arabe noho izany. Ny fiara koa anefa teo an-daniny tsy nitsahatra ny nifamoivoy, antony niteraka fitohanana be teny amin’iny faritra iny. Ny andro rahateo fety, fotoana tena mahabetsaka ireo olona sy fiara mivezivezy eto an-drenivohitra. Nahalany ora iray ny fiara iray vokatr’izany vao tafavoaka an’Andohatapenaka. Ho an’ireo hiazo an’Ambohibao dia tsy afaka nanitsy avy hatrany toy ny mahazatra raha nanala olona teo amin’ny toby fiantsonan’ny taxi-brousse Maki fa tsy maintsy niodina teny amin’ny rond-point miazo ny lalam-baovao vao miverina mamonjy ny digy indray.
Pati
Legende : Santionany tamin’ireo natory niandry laharana !
Mahasarotiny ny Randrana sendikaly ny CNaPs satria miantoka ny ain’ny mpiasa sy ireo nahavita be teo amin’ny asa,
Nampiakarin’ny Banky Iraisam-pirenena ho 3 dolara na 15000Ar eo isan’olona isan’andro ny
Mbola ny kaominina hatrany no manao ny asan’ny JIRAMA amin’ny famahana
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika ankehitriny,
Efa tsy ara-dalana intsony ny fomba fiainan’ny Malagasy sy ny fisainany ankehitriny
Tsy nandalo fotsiny ny fetin'ny Eid Mubarak ho an'ny Association