airtel

Sosialy

18-juin-2026

FOIRE

INTERNATIONALE DE L'AGRICULTURE

Sample post image

Hisintomana ireo mpamboly sy mpiomby any ambany ravinahitra

18-juin-2026

Hotanterahina ny datin'ny 10 ka hatramin'ny 13 Septambra ho avy izao eny amin'ny efitrano fandraisana fivoriambe eny Ivato na ny CCI ilay foara iraisam-pirenena momba ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono karakarain'ny Madavision. Andiany fahavalo izy io raha araka ny fanazavan-dRamanandraibe Miora tompon'andraikitra ara-barorra tamin'ny mpanao gazety omaly raha andiany faharoa kosa ny foara iraisam-pirenena momba ny sakafo. Ankoatra ny fanatsarana sy fampiroboroana ny toe-karem-pirenena dia tanjon'ny mpikarakara ny hisintona ireo mpamboly sy mpiompy any ambany ravinahitra any izay mbola tena maro an'isa tokoa. Betsaka mantsy izy ireo no hataon'ny mpanangom-bokatra lalana fotsiny fa tsy misitraka ireo karazana tombontsoa tokony ho azony. Toraka izany koa ireo mpanamboatra sakafo eto amintsika mba ho fantatry ny rehetra ny fahaiza-manaon'izy ireo ka hahazoany lalam-barotra sy hahitany ireo tantsaha moamboky afaka mamatsy entana vaovao sy tsara kalitao ho azy mivantana. Mpitsidika manodidina ny 3000 isa no andrasana amin'izany. Nisy omaly ny fihaonan'ireo mpikarakara tamin'ireo mpandray anjara tetsy amin'ny Havana Ressort Ambohidahy.
Pati
Légende : Omena tombony manokana tahaka izao ireo fitaovam-pambolena !
 

Dans la même rubrique

07-août-2026

Mila ovaina ny sazy ho an’ireo

Card image cap
07-août-2026

Hatsangana any Androy ny ozinina goavana

Card image cap
07-août-2026

azo volena no voatondraka rano

Card image cap
06-août-2026

Hanomboka amin'ity volana ity ny asa

Card image cap