airtel

Sosialy

03-août-2026

Halatr'olona,

tondro molotra, fitsaràm-bahoaka...

Sample post image

Loza mihatra tena mampatahotra

03-août-2026

Efa ho isan'andro ankehitriny ary mitady ho isam-paritra eto Madagasikara mihitsy no hitrangan'ity fahaverezan'olona noho ny antony tsy mazava ity ny fitsaràm-bahoaka miha mirongatra aterak'izany sy trangana tsy fandriampahalemana samihafa. Mamparikoditra tanteraka na ny maheno izany fotsiny hoe resaka halatra akoho no niteraka fitsaràm-bahoaka. Tsy vitan'ny hoe mandratra ilay olona hitan'izy ireo fa nanao ilay asa ratsy fotsiny koa amin'io ireo vondron'olona sendra ireny fa matetika lasa fanao koa ity mandoro olona ity. Aiza ny fandraisan'andraikitry ny mpitandro filaminana, indrindra, ny fitondràm-panjakàna mihitsy mikasika ny paikady mahomby hanafoanana izao zotram-piarahamonina mankany amin'ny fomban'ny olon-dia na "à l'état sauvage" izao? Heverina fa tena efa loza mihatra ary mampatahotra tanteraka ankehitriny ity resaka tondro molotra sy fitsaràm-bahoaka ary ny manodidina an'izay rehetra ity. Fambolena zarazarao hanjakàna ataon'ny mpanjanantany amin'ny endriny vaovao eto amin'ny firenena toy ny tsy fivoizana afa-tsy fitondrana tokany sy federaly ihany tokoa ve no mampirongatra azy io amin'izao fotoana izao sa inona? Inoana fa samy maniry ny hitsaharan'izao trangam-piarahamonina mampihorohoro vahoaka izao avokoa ireo mbola mahatsiaro ho tia tanindrazana sy izay nisafidy ny hijanona eto amin'ity firenena ity rehetra. Andrasana, araka izany, ny fivoaran'ny toe-draharaha amin'ity herinandro ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

07-août-2026

Mila ovaina ny sazy ho an’ireo

Card image cap
07-août-2026

Hatsangana any Androy ny ozinina goavana

Card image cap
07-août-2026

azo volena no voatondraka rano

Card image cap
06-août-2026

Hanomboka amin'ity volana ity ny asa

Card image cap