Zava-doza no nihatra tamin’i Hanitra, ilay tovovavy vao 14 taona monja avy any amin’ny Kaominina Ambanivohitr’i Vohidahy, distrikan’Ambositra. Naolan’ny rainy ity tovovavy kely ity ny Alakamisy 29 Oktobra teo. Tany anaty kirihitra no nanaovan-dRainy io fanolanana an’i Hanitra io. Mbola nokendainy sy nofatorany ihany koa ilay tovovavy nandritra izany ary nampidirany antsy tany amin’ny fivaviany. Nalemy tanteraka i Hanitra vokatr’izany ka tsy afa-nihetsika. Nirotsahan’ny ranon’orana nandritra ny alina izy ka ny Zoma 30 Oktobra maraina vao afaka nandady namonjy tanana nitantara izay nanjo azy. Ny Reniny no nantsoin’ny olona tamin’izany ka ity farany indray no nangataka fanampiana ho amin’ny fitsaboana azy. Tamin’ny Sabotsy 31 Oktobra teo no nandefasana taxi-moto naka azy tany an-toerana i Hanitra ka afak’omaly Alahady 01 Oktobra no tonga tao amin’ny CHRR Volafotsy ny tovovavy mba hanaraka fitsaboana. Fantatra moa fa noraisin’ny solombavambahoaka Liva Rason mivady an-tanana manontolo ny fandaniana rehetra momba ny fitsaboana ity zaza niharan’ny fanolanana ity. Efa eo am-pelatanan’ny manam-pahefana kosa ny nahavanon-doza. Tombanana ho tsy fihetsik’olona ara-dalana no nataon’ity Rain’i Hanitra ity taminy. Karazan’ireo avy nidoroka ity lehilahy ity ka tsy nahafantatra ny fihetsika tokony nataony sy ny hirifiry niainan’ilay zaza intsony. Ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana ihany anefa no afaka hanamarina izany na tsia.
Nangonin’i Pati
Legende : Izao sisa no nihafaran’ilay zaza tsy manan-tsiny !