airtel

Sosialy

16-mars-2026

ITAOSY TAMPON-TANANA

1 volana tsy nahazo rano fisotro madio ny mponina

Sample post image

Iray volana tsy nahazo rano fisotro

16-mars-2026

madio ireo mponina ao Itaosy tampon-tanana, kaominîna Itaosy, distrikan'Atsimondrano. Voakasik'izany ny any an-tokantrano sy eny amin'ny paompin-drano izay mba nisy nantenaina ihany teo aloha isaky ny amin'ny 1 ora maraina. Ankehitriny voatery miandry ny rano avy amin'ny bombonne ny isan-tokantrano izay efa handoavan'ny fikambanan'ny mponina vola isam-bolana any amin'ny orinasa JIRAMA. Tsy mety manatitra izany rano amin'ny bombonne izany maimaim-poana anefa ny mpamilin'ilay fiara lehibe mitatitra izany hoy ny fitarainan'ny mponina. Tsy maintsy omena 20.000 Ar isaky ny manatitra izy nefa ny mponina sahirana. Vokany, efa ho andro maromaro izao no tsy tonga intsony ny mpanatitra rano amin'ny bombonne koa hanaovan'izy ireo antso avo amin'ny tompon'andraikitra. Tsiahivina fa aina ny rano no sady fototry ny fiainana. Ny rano no hahafahana midio sy mikarakara ny sakafo hohanina. Ny rano sotroina no miantoka ny fahasalamana...Miaina anaty fiainana tsy zarizary noho izany ny mponin'Itaosy.
Pati
Légende : Mangidy ny fitadiavana rano fisotro madio eny Itaosy eny !

 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nihaino ny fitarainan'ny tantsaha

Card image cap
16-avril-2026

an'i Inde hodidiana

Card image cap