airtel

Sosialy

04-août-2026

KAOMININA

AMPITATAFIKA

Sample post image

Hitondra olona sahirana 100

04-août-2026

hiala sasatra any Mahajanga
Hitondra olona sahirana miisa 100 hiala sasatra any Mahajanga, faritra Boeny ny kaominina Ampitatafika Atsimondrano, tarihin'ny Ben'ny tanana Rado Ramparaoelina. Hanainga ny datin'ny 14 Aogositra ho avy izao izy ireo miaraka amin'ireo mpiasan'ny kaominina marobe, haharitra herinandro. Tafiditra ao anatin'ny voyage d'échange fanaon'ny kaominina isan-taona ny hetsika, ka andiany faha-17 ny amin'ity taona 2026 ity. Nambaran'ny Ben'ny tanana Rado Ramparaoelina fa hiantohan'ny kaominina avokoa ny momba ireo olona 100 ireo toy ny fiara handehanany, ny sakafo hohaniny, ny trano hipetrahany....Misy amin'ireny olona sahirana ireny mantsy hoy izy no mbola tsy nahita ranomasina mihitsy hatramin'izay niainany ka rariny raha mijery sy mitsinjo azy ireny ny kaominina. Miisa 570 eo ho eo ireo olona hiazo an'i Mahajanga hiaraka amin'ny kaominina Ampitatafika noho izany. Feno dia feno ny fandaharam-potoanan'ny mpikarakara mandritra ity hetsika ity. Hisy hatrany mantsy isan'andro ny hetsika ara-panatanjahantena sy kolontsaina hatao arahin'ny fotoam-pivavahana hisaorana an'Andriamanitra. Ho an'ireo mikasa hanita-dalana any amin'ny toerana tsy fantatra kosa dia nampitandrina ny kaominina fa tsy miantoka azy ireny raha sanatria ka misy manjo azy. Hatramin'ny nitantanan'ny Ben'ny tanana Rado Ramparaoelina ny kaominina Ampitatafika moa no nisian'ity voyage d'échange hetsika fanao isan-taona ity.
Pati
Légende : Mahafinaritra sy mahasalama hatrany ny mahazo rivo-dranomasina tahaka izao !
 

Dans la même rubrique

07-août-2026

Mila ovaina ny sazy ho an’ireo

Card image cap
07-août-2026

Hatsangana any Androy ny ozinina goavana

Card image cap
07-août-2026

azo volena no voatondraka rano

Card image cap
06-août-2026

Hanomboka amin'ity volana ity ny asa

Card image cap