airtel

Sosialy

15-nov-2022

Sosialy

Kaominina Antananarivo Nisy niakatra avo 100 heny ny hetran-trano

Sample post image

Miverina indray ny resaka hetran-trano midangana eto an-drenivohitra. Mimenomenona ny mponin’Antananarivo noho ny fidangan’ny hetra takian’ny Kaominina Antananarivo,

15-nov-2022

tsy ny boriborintany fahadimy izay efa niteraka resabe volana maro lasa izay ihany. Isan’ny porofo iray niparitaka ny fitarain’ny tompon'ny trano hazo kely iray eny Andohalo, izay mahatratra 92 100 Ar ny hetran-trano alaina amin'izy ireo. “Zara fa mahita 3 000 ar isan'andro ny tompon'ity trano ity kanefa 92 100Ar be izao, 100 000Ar latsaka kely no hetra-trano, raha amidy daholo ny fanaka rehetra anatiny zara raha hisy 40 000Ar akory”, hoy ny fitarainana. Tsy iray, tsy roa, tsy telo,… fa maro no manao fanamarihana fa tena midangana ary fangoronam-bola mihoampampana ka misy maneho, fa tsy handoa an’io velively. Misy ny milaza fa niakatra avo 100 heny mitaha amin’ny tamin’ny 2022 toy ny tranga iray eny amin’ny boriborintany faha-2 fa hetra 24000Ar lasa 10 052 000Ar, hetran-trano 10 000Ar lasa 980 000Ar,… hoy ny fanehoan-kevitra tamin’ny fampahalalam-baovao iray omaly. Raha ny fanazavan’ny mpanolontsaina Monisipaly iray, dia tokony ho ny taona 2023 no mihatra ny fampiakarana. Nisy kosa ny fanazavana sy fafana nentin’ny kaominina omaly fa, “ny fampihenana ny hetra ho an'ny fanambaran-ketra ny taona 2021 sy 2022 dia hatao ho tombontsoan'ireo manana fidiram-bola ambany indrindra. Ho an'ireo sokajy roa manomboka amin'ny 0 ka hatramin'ny 100,000, ary manomboka amin'ny 100,000 hatramin'ny 200,000, dia handoa sarany tokana ireo mpandoa hetra. Ho an'ny hafa kosa dia misy fihenam-bidy rehefa eo am-pandoavana ny hetran-tranony izy ireo”. Voalaza tao anatin’ny fafana kosa, fa ny hetra ho an’ny 200 201 hatramin’ny 500 000 dia “abatement” 60%, 500 001 hatramin’ny 1 000 000Ar dia 40%, 1 000 001 hatramin’ny 3 000 000Ar dia 20%. 10% ho an’ny 3 000 000Ar hatramin’ny 5 000 000A, ary 5% ho an’ny 500 001 noho mihoatra. Tsy dia mazava loatra moa ity fanazavan’ny kaominina ity, ary maro no mangataka fanazavana misimisy kokoa. Ny fiakarana midangana be tsy hita tao anatin’ny 60 taona ihany koa mbola baraingo ho an’ny mponina. Marina fa ny hetra no entin’ny Fanjakana miasa hanaovana tamberin’andraikitra ho an’ny vahoaka saingy adihevitra ny hoe: mifanaraka amin’ny toekaren’ny vahoaka ve ny volabe midangana? Manao ahoana ny asa sy ny tamberin’andraikitra ho an’ny vahoaka raha ny zava-misy eto Antananarivo izay hitadiavana fomba hampitombo ny vola miditra hatrany? Voaroaka ve ny fako? Madio ve ny tanàna? Aiza ireo toeram-pivoahana an-jatony nampanantenaina? Misy ve ny “parking” manara-penitra ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap