Nambaran’ny Governemanta Malagasy tamin’ny alalan’ny Fampitam-baovao laharana 116/2026 fa anaty hamehana ara-angovo na « Etat d’Urgence Energétique » mandritra ny 15 andro manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikra, taorian’ny Filan-kevitry ny Minisitra manokana omaly 7 aprily 2026. Voafaritry ny andininy faha-61 ao amin’ny Lalàmpanorenana, sy ny lalàna n° 91-011 tamin’ny 18 jolay 1991 mifehy ny toe-draharaha manokana io, raha ny fanambaran’ny Fanjakana. Fanapahan-kevitra noraisina taorian’ny fahatsapana fa miaina anatin’ny krizy lalina vokatry ny tsy fahatomombanana eo amin’ny famatsiana angovo manerana ny Nosy isika amin’izao fotoana izao, noho ny ady any Moyen-Orient, izay miteraka fikorontanana eo amin’ny fitohizan’ny tolotra eo amin’ny asan’ny sampan-draharaham-panjakana manan-danja manokana sy eo amin’ny fizotry ny toekarem-pirenena, ka misy fiantraikany amin’ny fiainana andavanandron’ny Vahoaka Malagasy. Ny fanambarana ny hamehana momba ny angovo dia hahafahan’ny tomponandraikitra mandray fepetra manokana sy haingana mba hamerenana amin’ny laoniny ny famatsiana angovo sy hiantohana ny fitohizan’ny asam-panjakana. Mitarika fikorontanana eo amin’ny filaminam-bahoaka amin’ny ankapobeny, ny fandriampahalemana, ny fitonain’ny Andrim-panjakana izany krizy izany, hoy ny Fanjakana. Manoloana an’io, ny fidirana amin’ny hamehana momba ny angovo no mamaly ny filàna ho an’ny fahefam-panjakana hahafahana mamoaka avy hatrany ny hoenti-manana manokana hiatrehana izany olana ara-pamatsiana angovo izany mba hitohizan’ny asam-panjakana ao anatin’ny Fanavaozana ny Repoblika. Nomarihina fa efa nahazoan’ny fankatoavan’ny Filohan’ny Antenimierampirenena sy ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ity didim-panjakana mikasika ny hamehana momba ny angovo ity.
INONA NO METY HITRANGA ?
Somary manjavozavo ihany ny fanazavan’ny Fanjakana manodidina an’ity resakahamehana 15 andro ity, ka ny filankevitry ny minisitra mahazatra anio sy ny fanambarana sy fanapahan-kevitra manokana hafa manaraka no mety hanazavana azy bebe kokoa. Ny azo ilazana azy fotsiny, dia miditra amina fepetra manokana na «mesure exceptionnelle » ny Fanjakana, ka efa anisany ny famerana ny vidin-tsolika tsy hiova fa mitazona an’ilay nanomboka 5 martsa, niala amin’ilay « mécanisme d’ajustement automatique » niarahana tamin’ny FMI. Fanontaniana mety hanitikitika kosa ny hoe : hanao « réquisition » ny solika izay ambiny ao ny Fanjakana sao tsy manome ireo compagnies pétrolières raha tsy mandoa vola ? Laharam-pahamehana ny famatsiana solika ireo « sites stratégiques » sy « services publics » ? Mety ho ferana ny fatran'ny solika azo jifaina ? Mety hiverina mahery vaika kokoa ny delestazy ? Anisan’ny mazava aloha ny hoe : anton’ny hamehana ny fahafahan’ny Fanjakana mamoaka ny hoenti-manana manokana hiatrehana ny olana ara-pamatsiana mety ny Fanjakana no hanafatra mivantana. Hitady làlana hafa toa ny any Russie na Arabie Saoudite ? Asa mety ho tonga hatrany amin’ny « réquisition » an’ireo toeram-panatobiana sy fitsinjaranjarana ? Sedra lehibe ara-toekarena izao ary tokony hampihetsika an’i Madagasikara ka asa hoe :rahoviana isika vao tena hanapa-kevitra hitrandraka ny eto sy hanetsika ireo loharanon-karena anatiny!?
Toky R