baranahiny na ilay antsoina hoe «Loi de l’offre et de la demande sauvage», raha ny fanazavàn’ireo mpanjifa malagasy nanaiky naneho hevitra mikasika izany. Isan’ny tsikaritra io amin’ny afitsok’ireo mpivarotra fahana finday, araka ny efa fitarainana maro voaray isan-tsehatra, dia ilay hoe ampiana amboniny amin’ny sarany voasoratra ny vidin’ilay karatra ka raha fahana misoratra ho misanda 1000 Ariary, ohatra, dia lazaina fa 1100 Ariary. Raha 2000 Ariary dia lazaina fa 2200 Ariary. Eo am-pita eo nefa misy mpivarotra hafa mahavita mivarotra amin’ilay sarany ara-dalàna ihany. Toy izany koa ny vidin’ireo filàna an-davan’andro toy ny vary. Samy vary gasy izao ihany dia ny sasany misy mivarotra 3500 Ariary ny kilao. Eo am-pita lavidavitra eo misy mivarotra 3800 Ariary. Misy mivarotra atody gasy 500 Ariary ny iray dia misy 700 Ariary nefa tsy dia mifanalavitra eo ihany. Tsy mahay miray hina ny mpanjifa moa ao anatin’ilay toe-draharaha, hoy ny fanazavàn’ny raim-pianakaviana iray, fa dia aleony mividy amin’ilay manamorona ny fonenany na dia lafo aza fa tsy mba hoe etsy amin’ilay mora no hifandrombahana. Lojika isika, raha manaiky hararaotin’ny olona foana, hoy hatrany ny fanazavàn’ity raim-pianakaviana iray ity.
Nangonin’i J. Mirija
Olana miampy olana mandavan-taona ny an’ny Jirama !
Navoitran’ny tatitra “Born into the Climate Crisis 2. An Unprecedented Life :
Mahatratra 2.400 ny isan’ireo mpiasa maty am-perin’asa isan-taona ho antsika eto Madagasikara,