Nampahatsiahivina ireo mpivarotra ny tokony hanajany ny lalàna mifehy ny varotra. Hitohy amin’ny « Andro iray hanentanana sy hanabeazana ny daholobe » misehatra amin’ny raharam-barotra any amin’ny kaominina Mahitsy ny hetsika ato ho ato. Ny tsenan’i Soamanatombo sy Mahamasina eto an-drenivohitra kosa no notsirihan’ny mpanara-maso tamin’ny alatsinainy 24 oktobra lasa teo. Nahatrarana ronono mandry amin’ny boaty efa simba mantsy teny an-toerana ka nampahafantarina ireo mpivarotra ny fepetra tokony horaisiny. Natao sava hao ireo entana hafa sasany noho izany ka nasaina nalan’ireo mpivarotra avokoa ireo entana hita fa simba. Ankoatra ny ronono moa dia anisan’ny tena atahoran’ny olona amin’izao ireo karazana ody ambavafo ho an’ny mpianatra efa lany daty toy ny bisikoitra sy ny sokola.
Nangonin’i Pati
Olana miampy olana mandavan-taona ny an’ny Jirama !
Navoitran’ny tatitra “Born into the Climate Crisis 2. An Unprecedented Life :
Mahatratra 2.400 ny isan’ireo mpiasa maty am-perin’asa isan-taona ho antsika eto Madagasikara,