amin’ny maha-filohan’ny Ivon-toeram-panajariana an’Antananarivo sy ny manodidina azy na ny IPAM. Tonga marobe nanotrona ity fotoan-dehibe ity ireo Ben’ny tanana manerana ireo kaominina 38 isa mpikambana ao anatin’ ny IPAM no sady naneho ny hetahetany ihany koa. Anisan’ny tena anton-dian’ity masoivohon’i Etazonia ity teny an-toerana rahateo ny ny hihaino ny hetahetan’ireo Ben’ny tanana sy ny maharary azy amin’ny resaka asa fampandrosoana ka anisan’ny tena voakasika ny fiompiana, ny fambolena, ny fampianarana, ny resaka rano fisotro madio ary ny fahasalamam-bahoaka. Nohamafisin’ny masoivohon’i Etazonia miasa sy monina eto amintsika fa hanao izay fara heriny izy ireo hanampiana ireo kaominina mivondrona ao amin’ny IPAM. Mety tsy ho 100 % anefa izany hoy izy fa izay tratra sy vita ihany. Nosinganiny manokana ny resaka fahasalamana ka nanomezany vaksiny be dia be ho an’i Madagasikara ho enti-miady amin’ny valan’aretina COVID 19. Tsy nandoavam-bola izany hoy izy fa maimaim-poana. Nankasitraka tanteraka izao fandalovan’ny masoivohon’i Etazonia miasa sy monina eto amintsika izao teny Ampitatafika moa ny Ben’ny tanana Rado Ramparaoelina ary mbola manantena hatrany ny hitohizan’ny fiaraha-miasa hanampiana ireo kaominina 38 minodrona ao anatin’ny IPAM.
Pati
Hanokatra ny fankalazana ny faha-10 taonany ny Sendikan’ny Mpiasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra
Ankoatran’ny hoe tsy mihinana in-3 isan’andro intsony dia efa tsy vitsy koa ankehitriny