airtel

Sosialy

18-mars-2025

MPISITRAKA ILAY VOLA ZARAIN’NY FID

Mitaraina ho tsy mbola nahazo ilay ampahany faharoa

Sample post image

Betsaka amin’ireo olona nisitraka ilay fanampiana avy amin’ny FID,

18-mars-2025

no mitaraina indrindra fa ny eto an-drenivohitra. Vao ilay ampahany voalohany 100.000 Ar ihany mantsy no azon’izy ireo hatreto ho an’ireo Fokontany sasany fa ny ambiny tsy nisy tohiny. Raha araka ny fitarainana Renim-pianakaviana iray dia efa ho 2 volana izao no nampanantenaina azy ireo ilay ambiny 150.000 Ar saingy hatramin’izao tsy mety tonga. Hetahetan’izy ireo araka izany ny hamoahan’ny Fitondram-panjakana io vola fanampiana amin’ny alalan’ny FID io mba hahafahan’izy ireo manatevina ny asa fidiram-bola hataony. Ho an’ny Fokontany Ambaniavatra kaominina Fenoarivo dia fantatra fa nivoaka afak’omaly Alahady 16 Martsa ny lisitra faharoa voalasa ho efa nahitsy. Be antitra maromaro no fantatra fa tafiditra ao anatin’izany, indrindra fa ireo tena tsy manam-piahy. Ho azy ireo dia fantatra fa omena indray mandeha ilay lela-vola 250.000 Ar hanatsarany ny velon-tenany izay marihina fa arahina fanaraha-maso tsy tapaka. Mbola tsy fantatra kosa anefa izay fotoana tena hivoahan’izany.
Pati
Legende : Mitangorona tsy mahalala maty intsony ny olona mijery ny anarany tao anatin’ilay lisitra faharoa !
 

Dans la même rubrique

20-mai-2025

Olana miampy olana mandavan-taona ny an’ny Jirama !

Card image cap
19-mai-2025

Navoitran’ny tatitra “Born into the Climate Crisis 2. An Unprecedented Life :

Card image cap
19-mai-2025

Mahatratra 2.400 ny isan’ireo mpiasa maty am-perin’asa isan-taona ho antsika eto Madagasikara,

Card image cap