airtel

Sosialy

29-janv-2026

Mpivarotra amoron-dalana eo Analakely

Tsy manaiky tsy avela hivarotra

Sample post image

Nanao fihetsiketsehana nanoloana

29-janv-2026

ny Librairie Md Paoly omaly ireo mpivarotra amoron-dalana eo Analakely. Vao maraina dia efa nihantrana teny an-toerana ireo Polisy monisipaly ka tsy namela azy ireo hivarotra, hoy ny fampitàm-baovao voaray. Tsy manaiky izany nefa ireo mpivarotra ka nilanja sora-baventy sy nanao fihetsiketsehana. Antony hanerosana azy ireo, raha ny fanazavàna avy tamin'ny tomponandraikitra eo anivon'ny Kaominina dia noho izy ireo mivarotra amin'ny lalan'ireo mpandeha an-tongotra sy eny amin'ny arabe ka miteraka tohamboivoy. Tafiditra anatin'ny fanadiovana sy fanatsaràna ny tanàna ihany koa izany, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
Nangonin’i J. Mirija

 

Dans la même rubrique

22-sept-2026

Manatanteraka ny teny

Card image cap
22-sept-2026

150 sy sekoly iray

Card image cap
22-sept-2026

Nahazo tohana avy amin’ny Ministeran’ny mponina

Card image cap