Madagasikara na CPM (Coalition Paysanne de Madagascar), taorian'ny fanadihadiana izay nataon’izy ireo mahakasika ny Fambolena sy Fiompina ary ny Jono. Nisy noho izany ny fanambarana sy hafatra goavana nataon’izy ireo omaly 29 jona teto Antananarivo, miantefa ireo any amin’ny ambaratongam-pahefana samihafa manomboka amin’ny Filohan’ny Repoblika, Filohan’ireo andrim-panjakana, loholona sy solombavambahoaka, Mpikamban’ny governemanta, Governora, Ben’ny tanàna manerana ny Nosy, fa indrindra ireo manam-pikasana hirotsaka hofidiana ho Filoham-pirenena. Manana herijika goavana i Madagasikara ahafahana mampiroborobo ny fambolena sy fiompiana ary ny jono isika satria: velaran-tany 35 tapitrisa hekitara mahery no azo volena, kanefa dia 2 tapitrisa hekitara monja no mbola voatrandraka ; manana morontsiraka mirefy 5.600 Km sy dobo mitotaly 1.500 Km² izay hahafahana mampivelatra tsara ny jono ; manana karazana omby fakana hena mihoatra ny 9 tapitrisa sy ombivavy beronono manodidina ny 36.000 isa. Manana voly fanondrana maro tsara kalitao tena tadiavina eo amin'ny tsena iraisam-pirenena: Litchi, ny Vanilina, ny kafė, ny Jirofo dipoavatra,… Tsy misy afa-tsy ny fampiroboroboana ireo sehatra 3 ireo no sady hahafahantsika mamorona asa marobe, ahafahantsika miady amin'ny tsy fanjarian-tsakafo, ka hananantsika ny fiandrianana ara-tsakafo sy hanafoana ny mosary, mba handresena ny fahantrana izay mikiky ny tontolo ambanivohitra, hoy hatrany ny CPM.
HIVINY NY TETIBOLA, AMPIHARO NY FIFANARAHAN’I MALABO «Somary diso fanantenana izahay tantsaha raha nahafantatra taorian'ny fanadihadiana izay natao, fa tato anatin'ny 4 taona farany izao dia 5,1% ny teti-bolam-panjakana ankapobeny ihany no mba tetibola natokantsika ho an'ny Fambolena sy Fiompiana ary jono. 0,6% ny harikarena faobe ihany no taham-pisondrotan'ny harikarena avy amin'ny fambolena sy fiompiana ary jono. Tarehimarika izay hita fa tena mifanalavitra tanteraka tamin'ny tanjona napetraky ny Fifanarahana tany Malabo, Guinée Equatoriale, tamin'ny taona 2014”, hoy ny CPM tao anatin’ny fanambarana novakian’Atoa Rakotomandimby Hajasoanirina. Nampahatsiahy fa firenena miisa 53 eo anivon'ny Firaisambe Afrikana no niara-nanao sonia ka nametrahana ho tanjona ny: Fanokanana vola mihoatra ny 10% ny teti-bolam-panjakana ankapobeny isan-taona mba hanohanana ny fampiasam-bola eo amin'ny sehatry ny fambolena sy fiompiana ary jono io; Ary hoezahina tsy ho latsaky ny 6 % ny harikarena faobe ny fitombon'ny harikarena avy amin'ireo sehatra telo ireo. “Manahy izahay fa toa hadino tanteraka izahay Tantsaha, izay mandrafitra ny 85 % ny mponina, ary tsy voajery araka ny tokony ho izy ny seha-pambolena sy fiompiana ary ny jono, izay tokony ho kitro ifaharan'ny fampandrosoana eto amintsika”, hoy izy ireo. Noho izany, nanao antso avo amin’ny ambaratongam-pahefana rehetra io Tambajotran’ny tantsaha io, mba hametraka paikady mazava sy hiara-hientana amin’ny tantsaha hanatrarana io tanjona tao anatin’ny Fifanarahan’I Malabo io.
Toky R
Olana miampy olana mandavan-taona ny an’ny Jirama !
Navoitran’ny tatitra “Born into the Climate Crisis 2. An Unprecedented Life :
Mahatratra 2.400 ny isan’ireo mpiasa maty am-perin’asa isan-taona ho antsika eto Madagasikara,