airtel

Sosialy

12-déc-2025

Nidina an-dalambe

ny mpiasan'ny SODIAT

Sample post image

Mangataka fifampiraharana amin'ny Fanjakana…

12-déc-2025

Nidina an-dalambe nitaky ny hamoahana ny karamany ireo mpiasan’ny vondrona SODIAT, nanao hetsika teny Mamory Ivato omaly alakamisy 11 desambra. Doro kodiarana sy sakan-dalana no nataon’izy ireo tao anatin’ny hetsika. Nandamina ireo mpiasa moa ny zandary ary nandrindra ny famerenana ny fifamoivoizana. Nanambara ny solontenan’ny mpiasa fa tsy nahazo karama nanomboka tamin’ity volana Desambra ity izy ireo, ary mety hiafara amin’ny fiatoana ara-teknika izany. Hetsika fanairana no nataon'ny mpiasa manoloana ny mety ho fahaverezan’asa miisa 4.000 noho ny fanagiazana ny volan’ny orinasa, raha ny ambangovangony. Nilaza izy ireo fa efa voageja avokoa ny volan’ny SODIAT, taorian’ny fanagiazana ny volan’ny Filohan’ny Tale Jeneraliny Mamy Ravatomanga. Tsy miady amin’ny fanjakana ny mpiasa fa mangataka fifampiraharahana. Fangatahana mazava: hamoahana ny volan’izy ireo sy handraisana ny solontenan’ny mpiasa amin’ny sehatra ofisialy. « Resy izahay, ka mitalaho amin’ny fanjakana mba tsy hanagiazana ny karamanay », hoy ny solontenan’ny mpiasa. Manahirana ity toe-javatra ity satria noho ny nafitsoky ny tompon'ny orinasa izay voasaringotra tamin'ny afera goavana dia ny mpiasa madinika no mizaka vokany. Lesona ho an'ny mpandraharaha miditra amin'ny politika ka manafangaro ny aferany manokana amin'ny orinasany ny tahaka izao. Lasa sorona hatramin’ny tsy manan-tsiny !

ISAN’NY TENA NAMOTIKA FIAINAN’OLONA MARO NY VOLOMBOASARY !
Mampitamberina ihany koa ireo tranga niseho tany aloha satria betsaka ireo olon-tsotra sy mpiasa lasibatra tao anatin'ny fitondrana teo aloha no mampahatsiahy ny zavatra niainany, toy ireo mpiasan'ny Vondron'orinasa Tiko sy ny Vondrona MBS, ny Magros izay sady norobaina no nodorana ny orinasa namelona fianankaviana an'aliny, izay tsy afa-nanoatra, nisy aza no mbola natao hazalambo,... Maro ireo orinasa may sy voaroba saingy tsy mba afaka nanoatra, eny fa na voafaritra aza ny fanoerana dia tsy nisy. Mba nisy nitsetra ve ? Mbola misy mampahatsiahy ny tany amin’ny 2002 ihany koa aza hoe very asa ny mpiasan’ny Decagon, Sonavam, TV Plus, Canal 6 Toamasina, 3 Frères, Quartz,… fa mba nisy nitsetra ve ? Ny taty aoriana, dia ny 2019 izay nanenjehana sy nanagadrana mpandraharaha toa an-dry Mbola Rajaonah, potika sy may hatramin'ny Orinasa sasany toy ny sehatra ny fanaovan-gazety dia ny RLM Communication tamin'izany. Tahaka izany ihany vao taona vitsy ny nanagadrana ny tompon'ny La Gazette de la Grande Ile Atoa Lola Rasoamaharo izay vao taorian'ny tolom-bahoaka teo no afaka. Nizaka ny ngidiny hatramin'ireo mpiasa satria nikatona na nakatona hatramin'ny orinasa.

HENJANA NY NATAON-DRAVATOMANGA TETO
Ampahany ireo, mpiasa marobe no very asa fa tsy mba afa-nanoatra, tsy afaka akory na dia nanao hetsika an-dalambe toy izao nataon'ny mpiasan'ny Vondrona SODIAT izao aza. Vao volana vitsy ny nanakatonana ny orinasa Balançoire izay misy mpiasa marobe, toa narahana fakana fananana mba tsy hilazana fa fandrobana aza nitondrana « gros bras » ? Tafiditra ny kajikajy tamin'ny tombotsoa amina tsenam-baro-panjakana momba ny teknolojia ka nohetraketrahana? Betsaka ireo fanjakazakana sy ampihimamba na kolikoly naharenesana ny anaran'Atoa Mamy Ravatomanga izay tena tsy nisy sahy nikitika, saingy mitsimbadika ny rasa ankehitriny. Miantraika any amin'ny mpiasa madinika anefa ka mankahery azy ireo satria tsy mora izany amin'ny maha olona, amin'ny maha mpiasa mamelona fianakaviana, ary irariana mba hisy vahaolana avy amin'ny Fanjakana. Misy lesona mila tsoahiana manodidina ny asa fandraharahana sy ny fanaovana politika, izay mila fitandremana be ! Ny manahirana sy mila fahatongavan-tsaina ihany koa anefa, dia saika mpandraharaha sy orinasa Malagasy hatrany no hita sy tratry ny fanenjehana rehefa misy ny tsy mety, fa ny vahiny toy ny karana manao izay danin’ny kibony tsy hitan’ny mason’ny haratontsika ? Tsy resaka fiantsoana fankahalana vahiny sanatria fa rehefa hanadio sy hanova ihany dia tsy asiana tombo sy hala…
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nihaino ny fitarainan'ny tantsaha

Card image cap
16-avril-2026

an'i Inde hodidiana

Card image cap