airtel

Sosialy

12-mai-2023

Sosialy

Olana ara-tsosialy Mitombo isa ireo olona torana sy matin’ny hanohanana

Sample post image

Mitombo isa hatrany ireo olona matin’ny hanohanana eto amintsika. Ankoatra ireo tazana mianjera dia torana ary mamoy ny ainy fa noana eto an-drenivohitra dia hita any amin’ny faritra ihany koa izany tranga izany.

12-mai-2023

Amin’ny ankapobeny mantsy dia tsy mihinana afa-tsy indray mandeha isan’andro sisa ireo mba manana fiainana antonony raha tena tsy mahita mihitsy ireo mpatory an-dalana sasany sy mpangataka. Rangahy lehibe iray antsoina hoe : Yba omaly maraina no hita faty teo ivelan'ny tranoben'ny garan’ny lamasinina Madiotsifafana Ambatondrazaka .Araky ny filazan'ny manodidina dia mpatory an-dalana eny amin’iny faritra iny Impotokolahy isan-kalina saingy izao nodimandry izao tampoka izao. Nahitana baiboly kely sy vola zato sy dimy arivo tany am-paosiny.Tsy fantatra kosa ny fianakaviany.Ny lehiben'ny fokontany Madiotsifafana sy ny ben'ny tanàna no nandray an-tanana ny fikarakarana azy mandrapahita ny havany .Marihina fa lehilahy tokony ho 60 taona eo izy io ary raha araka ny vaovao voaray dia mety ho hanoanana sy hatsiaka no nahafaty azy.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

20-mai-2025

Olana miampy olana mandavan-taona ny an’ny Jirama !

Card image cap
19-mai-2025

Navoitran’ny tatitra “Born into the Climate Crisis 2. An Unprecedented Life :

Card image cap
19-mai-2025

Mahatratra 2.400 ny isan’ireo mpiasa maty am-perin’asa isan-taona ho antsika eto Madagasikara,

Card image cap