airtel

Sosialy

12-mai-2023

Sosialy

Olana ara-tsosialy Mitombo isa ireo olona torana sy matin’ny hanohanana

Sample post image

Mitombo isa hatrany ireo olona matin’ny hanohanana eto amintsika. Ankoatra ireo tazana mianjera dia torana ary mamoy ny ainy fa noana eto an-drenivohitra dia hita any amin’ny faritra ihany koa izany tranga izany.

12-mai-2023

Amin’ny ankapobeny mantsy dia tsy mihinana afa-tsy indray mandeha isan’andro sisa ireo mba manana fiainana antonony raha tena tsy mahita mihitsy ireo mpatory an-dalana sasany sy mpangataka. Rangahy lehibe iray antsoina hoe : Yba omaly maraina no hita faty teo ivelan'ny tranoben'ny garan’ny lamasinina Madiotsifafana Ambatondrazaka .Araky ny filazan'ny manodidina dia mpatory an-dalana eny amin’iny faritra iny Impotokolahy isan-kalina saingy izao nodimandry izao tampoka izao. Nahitana baiboly kely sy vola zato sy dimy arivo tany am-paosiny.Tsy fantatra kosa ny fianakaviany.Ny lehiben'ny fokontany Madiotsifafana sy ny ben'ny tanàna no nandray an-tanana ny fikarakarana azy mandrapahita ny havany .Marihina fa lehilahy tokony ho 60 taona eo izy io ary raha araka ny vaovao voaray dia mety ho hanoanana sy hatsiaka no nahafaty azy.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

21-août-2026

Tsy ampy ny karama, mila fepetra iarovana ny sosialim-bahoaka

Card image cap
21-août-2026

Miantso fandraisana andraikitra ny fikambanana FACHA

Card image cap
21-août-2026

velon-taraina ny mpiompy

Card image cap
21-août-2026

Tsy misy asa tsy mahavelona izany… »

Card image cap
21-août-2026

Nahazo fampiofanana amin’ny tekinikam-pambolena

Card image cap
21-août-2026

isan'andro raha kely

Card image cap