airtel

Sosialy

08-août-2023

Sosialy

ONG Omena «Miaina herisetra ara-tsaina ny 80%-n’ny ankizy»

Sample post image

Mitohy hatrany ny sampan-draharaha tsy miankina na ONG Omena amin’ny ady amin’ny atao hoe herisetra ara-tsaina. Navoaka tetsy amin’ny Radisson blu

08-août-2023

Ambodivona indray ny faran’ny herinandro teo ny andiana tanora niofana momba izany nandritry ny 12 volana. Araka ny fanazavan’i Tiana Harizo Randrianantenaina, tomponandraiki-paritra na “country officer” eo anivon’ity ONG ity, dia ankoatran’ny fiofanana nomena ireto tanora ireto dia nisy koa fampiharana izany tamin’ny alalan’ny fidinana an-kianja mandra-pivoakan’izy ireo ho mpanabe fiarahamonina na “éducateur communautaire” toy izao nanomezana azy ireo ny sertifika mifandraika amin’izany izao nandritry ny 5 volana. Afaka mandeha any amin’ny fiarahamonina sy sekoly, noho izany, izy ireo avy eo mampihatra izay nianarany, hoy izy. Paikady hitanay hiadiana amin’ny herisetra ara-tsaina ny fanapariahana ny antsoina hoe “intelligence émotionnelle” na faharanitan-tsaina amin’ny lafiny fihetseham-po. Tsy dia firesaka loatra ny antsoina hoe herisetra ara-tsaina. Ao anatiny ny fanalam-baraka, fanambaniana, fandrabirabiana ny olona, teny marary rehetra atao, ireny rehetra ireny dia misy voka-dratsy ara-tsaina ho an’ny tsirairay ary mety hiteraka hatramin’ny famonoan-tena. Miainga amin’ny herisetra ara-tsaina ny herisetra ara-batana rehefa tsy mahavita mahafehy fihetseham-po ny olona iray na be loatra ny mahazo azy dia lasa mamono. Miaina anaty herisetra ara-tsaina ny 80%n’ny ankizy kely raha ny antotan’isa nomen’ny firenena mikambana tamin’ny alalan’ny UNICEF ny taona 2019. Ho antsika eto Madagasikara dia mahatonga izany ny ray aman-dreny kizitin-dava, manao teny marary matetika amin’ny ankizy, tsy dia manome fitiavana loatra ny zanany. 38 mianadahy moa ireto andiany navoaka ireto, hoy hatrany ny fanazavana. Miisa 250 ankehitriny ny mpikamban’ny Omena maneran-tany, hoy ny filoha mpanorina azy, Francesca Raoelison, ary miisa 5000 eo ny isan’ny olona nobeazina sy nampahafantarina momba ny herisetra ara-tsaina izay.
J. Mirija
Legende: Ny filoha mpanorina ny Omena
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Mikasa hamita tetikasa famatsian-drano ankehitriny ny fikambanana Mamiratra Antehiroka,

Card image cap
25-juil-2024

Nampitolagaga ny maro ny fihetsiky ny vehivavy iray tao Toamasina omaly.

Card image cap
24-juil-2024

Mahamasina Hanomboka anio Alarobia 24 Jolay etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina ilay Foara Trano

Card image cap