Nifanaretsaka ny hetsika vonjy aina tao amin'ny hopitaly HJRA omaly hariva rehefa nandraisana tanora maro be voan’ny fahapoizinana ara-tsakafo. Nisy ihany koa ireo nentina teny amin’ny CHU Andohatapenaka. Mpiasan’ny Call Center Konecta eny Ivandry ireo lasibatra, tsy omby intsony ny efitra fandraisana marary, ary voatery nentina hatrany amin’ny lalan-tsara ny sasany. Raha ny isa azo tany ho any amin’ny tamin’ny 9ora alina, mpiasa 85 no voakasika ka ny 46 tsaboina amin'ny HJRA, ny 39 ambiny kosa eny amin'ny CHU Andohatapenaka. Reraka, manotika kibo, mivalana, tratry ny fanaintainana amin'ny vatana, sempotra,… no endrika nisehoany. Araka ny filazana niparitaka, tsy vao sambany fa efa nisy fitarainana hatry ny ela momba ny sakafo aroso ao amin’ny cantine an’ilay orinasa. Nisy nilaza fa masiso ny sakafo, vary be karibonetra ka mankarary vavony, ary menaka efa simba no nampiasaina,... Tsy nisy nihaino izany taraina izany, ka izao no vokany: marary tsy omby hopitaly, hoy ny fanamarihana. Heverina ho trondro nohanina tao amin’ny cantine afak’omaly hariva no nahatonga ny loza. Andrasana anefa ny fanadihadiana ofisialy sy ny fepetra samihafa avy amin’ny manam-pahefana. Tsy vao sambany amin’ny tranga fahapoizinana ara-tsakafo izao, ary efa misy hatrany ny hetsika fanaraha-maso toy ny fandorana entana lany daty sy ny fitsirihana ara-panjakana, izay mety tsy ampy noho ny antony maro. Betsaka ihany koa nanefa ny mety ho antony, fa tsy voatery sakafo lany daty ihany. Araka izany, mety tsy ho voafehy avokoa ny zava-misy rehetra, fa adidy iaraha-manana ny fiarovana ny fahasalaman’ny mpanjifa, mila mitandrina sy miara-misalahy ny rehetra.
ANDRASANA NY VALIN’NY FITILIANA
Raha ny vaovao farany omaly alina, samy nakàna singa avokoa ny ambin-tsakafo sisa tsy lany tao Ivandry toy ny trondro sy saosisy, niampy ny menaka nampiasaina, salade de fruits ka halefa hatao fitiliana any amin’ny ACSSQDA eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Nakatona vonjimaika ny lakozian'ny orinasa ary nogiazana tsy navela ho ampiasaina koa ny vata fampangatsiahana izay hita fa tsy nanaraka ny fenitra teo amin’ny hatsiaka ilaina amin’ny fitehirizana sakafo. Ny trondro niaraka tamin’ny saosy sy salade de pomme de terre no mety nahatonga ny fahapoizinana ara-tsakafo araka ny fitantaran’ireo marary. « Ny valin’ny fitiliana eny amin’ny laboratoara no ahitana ny tena fototry ny fahapoizinana ara-tsakafo », hoy ny Talem-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana Analamanga, Teddy MAHALANONA nandritra ny fidinany sy ny ekipany teny amin’ny HJRA Ampefiloha. Natsahatry ny orinasa KONECTA avy hatrany moa ilay mpikarakara sakafo ho an’ny mpiasa.
Toky R