airtel

Sosialy

08-avril-2026

Rakoto Jean Pierre

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

Sample post image

Nanokana fotoana nihainoana

08-avril-2026

nivantana ny Vahoakan'i Fianarantsoa ny filohan'ny fanavaozana ny Repoblika, Kolonely Randrianirina Michaël nandritra ny diany tao an-toerana ny herinandro masina iny. Solontena folo teo ho eo, avy amin'ny sokajy samihafa no nandray anjara fitenenana sy nametra-panontaniana nivantana tamin'izany, ka anisany i Rakoto Jean Pierre. Kandida filoham-pirenena tamin'ny 2013 ity farany. Nambarany fa naniry hangataka fihaonana tamin'ny filohan'ny fanavaozana ny Repoblika ny tenany koa nohararaotiny io fotoana io nanaovany tsipiteny "mba tsy ho zarina amin'ny zavatra bôjo ny Vahoaka", ary nampiany "mba tsy hampianarina hangataka ny Malagasy". Nasiany tsindrim-peo ny maha zava-dehibe ny fiovana toe-tsaina amin'izao fotoana irosoana amin'ny fanavaozana izao. Nandritra ny fandraisam-pitenenany no nanoloran-dRakoto Jean Pierre boky tahin-kevitra roa ka ny iray mirakitra ny kabarin'i Kolonely Richard Ratsimandrava sy didy aman-dalana mikasika ny Fokonolona iorenan'ny fampandrosoana tamin'ny fitondrany, ary ny faharoa boky mirakitra tolo-kevitra momba ny fanavaozana efa novoizin'i Rakoto Jean Pierre fony izy nirotsaka hofidiana filoham-pirenena tamin'ny taona 2013. Samy nilaza ampahibemaso na ny filohan'ny fanavaozana ny Repoblika Kolonely Randrianirina Michaël na ny Praiminisitra lehiben'ny governemanta Mamitiana Rajaonarison fa handray sy hanovo hevitra amin'ireo boky ireo.
Jean D.
Rakoto Jean Pierre, kandida filoham-pirenena tamin'ny 2013
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nihaino ny fitarainan'ny tantsaha

Card image cap
16-avril-2026

an'i Inde hodidiana

Card image cap