airtel

Sosialy

06-mars-2026

RESAKA FIFINDRA-MONINA

Ireo mponina avy any Androy

Sample post image

no lohalaharana eto amintsika

06-mars-2026

Mirongatra ny fifindra-monina eto amintsika. Ireo mponina avy any amin'ny Faritra Androy no lohalaharana amin'izany raha araka ny fantatra manenjika mifindra any amin'ny Faritra Boeny sy Menabe. Betsaka ny antony manosika ireny karazan'olona ireny hifindra. Eo ny fahasahiranana ateraky ny haintany sy ny tsy fisia n-drano ka tsy hahafahana mamboly sy miompy. Faharoa ny tsy filaminan'ny fiainana amin'ny ankapobeny ka mampanitatra ny sain'ny tsirairay hitady velon-tena hafa. Miteraka olana goavana anefa izany hoy Priore Ratohàdrainy, tompon'andraikitra misahana ny fananganana foto-drafitrasa any amin'ny Faritra Androy. Lasa mitondra ny fomba fiainany sy ny kolontsainy any amin'ny toeran-kafa ireo mpifindra monina ireo hany ka manelingelina ny hafa. Antony hitadiavam-bahaolana etsy amin'ny hôtel Carlton Anosy izany rehetra izany nanomboka omaly Alakamisy 05 Martsa amin'ny alalan'ny atrikasa goavana maharitra 2 andro. Hisy araka izany ny rafitra hatsangana kasaina hapetraka, mikasika izay firongatry ny fifindra-monina eto amintsika izay. Ny mba hifehezana ny toe-draharaha no tanjona izay marihina fa hijerena ireo olona mikasa hanao ratsy ihany koa saingy miafina any anatin'ny fifindra-monina.
Pati
Légende : Miezaka mifindra monina hatrany ireo mponina avy any amin'ny Faritra Androy !
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nihaino ny fitarainan'ny tantsaha

Card image cap
16-avril-2026

an'i Inde hodidiana

Card image cap